Fampandrenesana
◼ Zavatra atolotra amin’ny Oktobra: Ny Tilikambo Fiambenana sy Mifohaza! Novambra: Taratasy mivalona Vaovao Momba Ilay Fanjakana. Raha liana ilay olona, dia omeo boky Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly?, ary miezaha hanomboka fampianarana. Desambra: Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly? na ny taratasy mivalona: Ahoana no Fiheveranao ny Baiboly?, Hanao Ahoana ny Fiainana Amin’ny Hoavy?, Inona no Tena Mahasambatra ny Fianakaviana?, Iza no Tena Mpitondra An’izao Tontolo Izao?, Tianao ve ny Hahafantatra ny Marina?, ary Tsy Hijaly Intsony ve Isika Indray Andro Any? Miezaha hanomboka fampianarana. Janoary: Vaovao Tsara Natao ho Anao! na ny bokikely: Afaka ny ho Sakaizan’Andriamanitra Ianao!, Efa Hitanao ve ny Lalana Mankany Amin’ny Fiainana Mandrakizay?, Ho Sambatra Ianao Raha Manana ny Tena Finoana (ho an’ny Silamo), Mihainoa An’Andriamanitra na Mihainoa An’Andriamanitra dia Hiaina Mandrakizay Ianao, Nisy Namorona ve Izao Rehetra Izao? (ho an’ireo mino ny evolisiona), Ny Anaran’Andriamanitra Izay Haharitra Mandrakizay, Ny Fanahin’ireo Maty—Afaka Manampy Anao ve Izy Ireo sa Afaka Manisy Ratsy Anao? Tena Misy Tokoa ve Izy Ireo?, Rehefa Nodimandry ny Olona Iray Tianao, ary Tena Miahy Antsika ve Andriamanitra? Miezaha hanomboka fampianarana Baiboly rehefa miverina mitsidika.
◼ Ampirisihina izay manana Internet mba hijery an’ilay lahatsoratra hoe “Ampiasao Hampianarana ny Zanakao ny Tranonkalantsika”, sy hampihatra ny soso-kevitra ao mandritra ny Fotoam-pivavahan’ny Fianakaviana. Tsara koa raha misy rahalahy iray tendrena ho any amin’ny Cyber Café mba haka an’ireo lahatsoratra any amin’ny jw.org izay tsy avoaka any amin’ny gazety, ka hanao pirinty sy hizara an’izany amin’ny fiangonana. Hifampizaran’ny rehetra ao amin’ny fiangonana ny saran’ny lany avy eo.
◼ Marihina fa ny Watchtower Library dia ho an’ny Vavolombelon’i Jehovah sy ny mpitory tsy vita batisa ary izay manatrika fivoriana tsy tapaka ka azo omena Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana.
◼ Zavatra vaovao misy:
Andao Hianatra Baiboly! (mb) malagasy, tandroy, tankarana, vezo
Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly? (bh) tankarana, vezo
Tahafo ny Finoan’izy Ireo (ia) malagasy