Mihainoa ary Mianara
1. Nahoana isika no mila miezaka bebe kokoa mba hihaino sy hianatra mandritra ny fivoriamben’ny vondrom-paritra?
1 Hanomboka tsy ho ela ny fivoriamben’ny vondrom-paritra 2013. Betsaka ny fanomanana natao mba hikarakarana fivoriambe manome izay ilain’ny vahoakan’i Jehovah maneran-tany. Efa nanao fandaharana ve ianao mba hanatrehana an’ilay fivoriambe mandritra ny telo andro? Betsaka ny zavatra mety hanelingelina mandritra ny fivoriambe, ka mila miezaka bebe kokoa isika mba hifantoka tsara. Tsy maintsy mifantoka ela kokoa isika satria lava kokoa noho ny fivorian’ny fiangonana ny fandaharana. Mety handreraka koa ny dia sy ny zavatra hafa. Inona no hanampy antsika hifantoka foana ka ho afaka hihaino sy hianatra?—Deot. 31:12.
2. Ahoana no hanomanantsika ny fontsika?
2 Alohan’ny fivoriambe: Efa any amin’ny www.jw.org/mg, tranonkala ofisialintsika, ny fandaharana amin’ny fivoriambe. Hita ao ny lohatenin’ny lahateny rehetra, miaraka amin’ny andinin-teny fototra iray na roa avy. Raha afaka mampiasa Internet ianao ka mijery an’ilay fandaharana mialoha, dia hanampy anao hanomana ny fonao izany. (Ezra 7:10) Azonareo dinihina amin’ny Fotoam-pivavahan’ny Fianakaviana ve izany mba tsy ho andrin’ny rehetra ny hanatrehana ny fivoriambe?
3. Inona no hanampy antsika hihaino tsara?
3 Mandritra ny fivoriambe: Vitao alohan’ny hanombohan’ny fandaharana izay tokony hataonao any an-kabine, raha mety. Vonoy ny findainao mba tsy ho voahelingelina ianao raha misy antso na hafatra tonga, ary mba tsy halaim-panahy handefa hafatra mandritra ny fandaharana. Raha tsy maintsy mamelona finday ianao, dia aza atao manelingelina ny hafa izany. Aza atao manelingelina ny hafa koa ny fitaovana elektronika entin-tanana, toy ny tablette, raha mampiasa izany ianao mandritra ny fandaharana. Aza mihinan-kanina na misotro rano mandritra ny fandaharana. (Mpito. 3:1) Jereo ilay mpandahateny. Araho ao amin’ny Baibolinao ny andinin-teny vakina. Mandraisa an-tsoratra nefa ataovy fohy izany.
4. Ahoana no hanampian’ny ray aman-dreny ny zanany mba hihaino sy hianatra?
4 Tiantsika hihaino sy hianatra koa ny zanatsika. Hoy ny Ohabolana 29:15: “Mahatonga henatra ho an-dreniny ... ny zaza avela hanaram-po.” Tsara àry raha miara-mipetraka ny mpianakavy, amin’izay mahazo antoka ny ray aman-dreny hoe mifantoka ny zanany fa tsy miresaka na mandefa hafatra an-telefaonina na mandehandeha. Na zaza mbola kely tsy mahatakatra ny fandaharana manontolo aza dia azo zarina hipetraka tsara sy tsy hatory.
5. Nahoana no tsara anaovana famerenana ny fandaharana? Ahoana no azontsika anaovana an’izany?
5 Isaky ny mifarana ny andro tsirairay amin’ny fivoriambe: Aza mody alina loatra. Matoria aloha, amin’izay ianao afa-bizana tsara. Ho tadidinao ela kokoa izay renao raha anaovanao famerenana. Tsara àry raha manokana minitra vitsy isan-kariva ny mpianakavy mba hiresahana momba ny fandaharana. Ento ny fandraisana an-tsoratrao raha misakafo any amin’ny hotely miaraka amin’ny namanao ianao. Miresaha hevitra iray na roa tena tianao. Rehefa vita ny fivoriambe dia azonareo dinihina mandritra ny Fotoam-pivavahan’ny Fianakaviana izay hevitra azonareo ampiharina. Afaka manokana fotoana koa ianareo isan-kerinandro mba handinihana tsikelikely an’ireo zavatra vao nivoaka tamin’ny fivoriambe.
6. Ampy ve ny manatrika fivoriambe fotsiny? Hazavao.
6 Tsy hisy dikany ny hanim-pito loha raha tsy hohanina sy levonina tsara. Toy izany koa ny sakafo ara-panahy horaisintsika amin’ny fivoriamben’ny vondrom-paritra. Enga anie isika handray soa feno ka hanatrika ny fivoriambe manontolo sy hihaino tsara ary hampihatra an’izay hianarantsika.