Fomba Fanolorana Gazety
Ny Tilikambo Fiambenana 1 Desambra
“Betsaka ny olona manao sarina tranon’omby kely mampiseho ny nahaterahan’i Jesosy, amin’ny fotoana toy izao. Ity tantara ity no ao an-tsainy amin’izany. [Vakio ny Matio 2:1, 11.] Hitanao ve anefa hoe inona no tsy mampitovy an’ireny sary ireny amin’io lazain’ny Baiboly io? [Avelao izy hamaly.] Resahin’ity lahatsoratra ity hoe inona no tena nitranga.” Asehoy ilay lahatsoratra eo amin’ny pejy 31.
Mifohaza! Desambra
“Mba tiako ho fantatra ny hevitrao momba ity tenin’i Jesosy ity. [Vakio ny Matio 5:3.] Be dia be anefa izao ny fivavahana, ka mety foana ve izay fidin’ny olona mba hitadiavana an’Andriamanitra? [Avelao izy hamaly.] Hazavain’ity lahatsoratra ity izay atoron’ny Baiboly mba hifandraisana amin’Andriamanitra.” Asehoy ilay lahatsoratra eo amin’ny pejy 12.
Ny Tilikambo Fiambenana 1 Janoary
“Samy manana ny heviny ny fivavahana, momba ny fisotroan-toaka. Ahoana ny hevitrao, ankasitrahan’Andriamanitra ve sa tsia ny olona misotro toaka? [Avelao izy hamaly.] Marina fa milaza ny Baiboly hoe nanao fahagagana i Jesosy ka nanova ny rano ho divay. Jereo koa anefa ity andininy ity: [Vakio ny Ohabolana 23:20a.] Hazavain’ity gazety ity izay lazain’ny Baiboly momba izany.”
Mifohaza! Janoary
“Sarotra ny fiainana izao, ka maro ny olona miasa mafy loatra sy miferinaina. Hoatran’izany koa ve ianao? [Avelao izy hamaly.] Ity misy torohevitra tsara. [Vakio ny Mpitoriteny 4:6.] Tokony holanjalanjaina ny fotoana lany amin’ny asa sy fianakaviana ary fialam-boly. Manazava izany ity gazety ity. Misy soso-kevitra ho an’izay mitady asa koa ato.”