Valin’ny Fanontanianareo
◼ Ampitaina mivantana an-telefaonina any an-tranon’ny mpiara-manompo, indraindray, ny fivorian’ny fiangonana. Nahoana izany no mitaky fahaiza-mandanjalanja?
Tsy afaka mivory, indraindray, ny mpitory sasany satria marary na misy toe-javatra tsy azony anoarana, ka izao no ataon’ny fiangonana maro: Ampitainy mivantana an-telefaonina any an-tranon’ilay mpitory ny fivoriana. Ilana fandanjalanjana sy fahaiza-mandamin-javatra tsara io fandaharana feno fitiavana io, satria tokony ho izay tena mila izany ihany no anaovana azy io. Tokony handrindra tsara an’io fandaharana io ny anti-panahy miandraikitra azy io mba “hatao amim-pahamendrehana sy amim-pilaminana” ny zava-drehetra.—1 Kor. 14:40.
Ny olona manana aretina mitaiza, na malemy, na osa vokatry ny fahanterana, na tsy afa-mihetsika eo am-pandriana, no voalohany tokony hanaovana azy io. Mety harary na tsy ho afa-mihetsika eo am-pandriana mandritra ny fotoana kelikely ny mpitory sasany, ka handray soa amin’io fandaharana io koa. Eo koa ireo mpianatra Baiboly efa mandroso nefa tsy afa-mihetsika eo am-pandriana. Tokony hisaina ho anisan’ny mpanatrika izy ireny amin’izay. Mety tsy haharaka ny isan’ireo mila an’io fandaharana io anefa ny fifandraisana an-telefaonina, ka azo atao ny mampiasa fomba hafa, toy ny fandraisam-peo ny fivoriana.
Tsy misy mahasolo ny fahatongavana any am-pivoriana anefa, satria izany no andraisan-tsoa be indrindra. Afaka ‘mifampahery’ isika rehefa mihaona any, ary vao mainka ho takatr’ireo vaovao fa ilaina ny mivory. Be lavitra ny soa raisintsika avy amin’ireo fampisehoana rehefa mivory isika. Afaka manampy antsika mivantana ny anti-panahy, ary tena tsapantsika fa mifankatia ny mpiara-manompo. Nisy namihina, ohatra, ny anabavy zokiolona iray tamin’izy niala tao amin’ny Efitrano Fanjakana, ka hoy izy: “Iza no ho afaka hamihina anao hoatr’izany ao anaty telefaonina!” Marina tokoa ny teniny!—Rom. 1:11, 12.
Manao toa an’i Ana, izay “tonga tsy tapaka tao amin’ny tempoly”, ny zokiolona maro, ka mivory foana raha mbola mamela azy hanao izany ny fahasalamany sy ny toe-javatra misy azy. (Lioka 2:36, 37) Ampitaina mivantana any an-tranony ny fivoriana rehefa ilaina izany, nefa tsy mieritreritra ny hampiadan-tena izy ireo ka hihevitra hoe tsy mampaninona intsony na tsy mankany am-pivoriana aza. Enga anie isika hanahaka azy ireo, ka hiezaka foana ho tonga any am-pivoriana, eo am-panompoantsika an’i Jehovah, ilay Andriamanitra lehibe.—Sal. 95:1-3, 6; 122:1.