Fampandrenesana
◼ Septambra: Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly? Miezaha hanomboka fampianarana Baiboly dieny eo am-pitoriana. Raha efa manana an’io boky io ilay olona, dia asehoy azy ny fomba handraisan-tsoa avy amin’izy io, ka atoroy azy vetivety ny fomba fianarana Baiboly. Oktobra: Ny Tilikambo Fiambenana sy Mifohaza! Raha liana ilay olona, dia atolory sy iaraho midinika aminy ilay taratasy mivalona hoe Tianao ve ny Hahafantatra ny Marina? Miezaha hanomboka fampianarana Baiboly, raha efa manana azy io ilay olona. Novambra: Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly? Iray amin’ireto no atolotra raha efa manana azy io ilay olona: Ny Baiboly—Tenin’Andriamanitra sa Tenin’olona?, na Ny Tsiambaratelon’ny Fahasambaram-pianakaviana. Desambra: Ilay Lehilahy Niavaka Indrindra Teto An-tany. Ny boky Mianara Amin’ilay Mpampianatra Lehibe atolotra, raha misy ankizy ao amin’ilay trano.
◼ Hatao ny herinandron’ny 12 Aprily ny lahateny manokana amin’ny vanim-potoanan’ny fahatsiarovana 2010. Holazaina any aoriana ny lohateniny. Hanao an’ilay lahateny manokana ny herinandro manaraka an’io, ireo fiangonana hotsidihin’ny mpiandraikitra ny faritra na hanatrika fivoriambe amin’ny faran’io herinandro io. Tsy tokony hatao alohan’ny 12 Aprily io lahateny io.
◼ Fampahatsiahivana ho an’ny mpiandraikitra ny sekoly: Ataovy azo antoka hoe misy Tilikambo 2008 vita boky sy Mifohaza! 2008 vita boky iray avy, fara fahakeliny, ao amin’ny fitehirizam-bokin’ny fiangonana.