Fampandrenesana
◼ Mey: Ny Tilikambo Fiambenana sy Mifohaza! Rehefa miverina mitsidika ny olona liana ianao, dia tsidiho koa ireo nanatrika Fahatsiarovana sy/na fandaharana hafa, nefa mbola tsy tena miaraka amin’ny fiangonana. Miezaha hametraka ny boky Ampianarina. Ataovy tanjona ny hanomboka fampianarana Baiboly amin’io boky io. Jona: Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly? Raha efa manana ilay olona, dia atolory ny boky Ny Baiboly—Tenin’Andriamanitra sa Tenin’olona? na Ny Tsiambaratelon’ny Fahasambaram-pianakaviana. Jolay sy Aogositra: Iray amin’ireto bokikely 32 pejy ireto: Afaka ny ho Sakaizan’Andriamanitra Ianao!, Boky Iray ho An’ny Olona Rehetra, Efa Hitanao ve ny Lalana Mankany Amin’ny Fiainana Mandrakizay?, Miambena Hatrany!, Mifalia Amin’ny Fiainana eto An-tany Mandrakizay!, Ny Anaran’Andriamanitra Izay Haharitra Mandrakizay, Ny Fanahin’ireo Maty—Afaka Manampy Anao ve Izy Ireo sa Afaka Manisy Ratsy Anao? Tena Misy Tokoa ve Izy Ireo?, Rehefa Nodimandry ny Olona Iray Tianao, Tena Miahy Antsika ve Andriamanitra?, ary Tokony Hino ny Trinite ve Ianao?
◼ Tokony hozaraina avy hatrany Ny Tilikambo Fiambenana sy Mifohaza!, rehefa voarain’ny fiangonana. Ho afaka hamaky azy ireo ny mpitory amin’izay, alohan’ny hametrahana azy eny amin’ny saha.