FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • km 4/09 p. 3
  • Famerenana Amin’ny Sekolin’ny Fanompoana

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Famerenana Amin’ny Sekolin’ny Fanompoana
  • Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2009
Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2009
km 4/09 p. 3

Famerenana Amin’ny Sekolin’ny Fanompoana

Hodinihina amin’ny Sekolin’ny Fanompoana ireto fanontaniana ireto, ny herinandron’ny 27 Aprily 2009. Hanao famerenana maharitra 20 minitra ny mpiandraikitra ny sekoly. Miorina amin’ny fanazavana tao amin’ireo anjara nanomboka ny herinandron’ny 2 Martsa ka hatramin’ny 27 Aprily 2009 izy io.

1. Ahoana no nanoheran’i Josefa ny fakam-panahy natrehiny isan’andro? (Gen. 39:7-12) [lv p. 105, feh. 18–p. 106, feh. 20]

2. Inona no resahin’ny Baiboly momba ny fankalazana andro nahaterahana? (Gen. 40:20-22) [lv p. 147, feh. 9–p. 151, feh. 11, f.a.p.]

3. Nahoana i Josefa no ohatra tsara amin’ny famelan-keloka? (Gen. 45:4, 5) [w 1/1/99 p. 31, feh. 2-3]

4. Inona no vokatr’ilay tenin’i Josefa hoe: “Ento miakatra hiala atỳ ny taolambaloko”? (Gen. 50:25) [w 1/6/07 p. 28, feh. 10]

5. Inona no hanampy antsika hatoky fa ho vitantsika ny asa sarotra anendrena antsika? (Eks. 4:10, 13) [w 15/3/04 p. 25, feh. 4]

6. Inona no vokatry ny fomba nandaminan’i Jehovah an’ilay raharaha nahakasika an’i Farao, ary inona no tokony ho vokatr’izany eo amintsika? (Eks. 9:13-16) [w 15/5/05 p. 21, feh. 8]

7. Midika ho inona ho antsika ankehitriny ny Eksodosy 14:30, 31? [w 15/3/04 p. 26, feh. 5]

8. Nahoana no tena ratsy ny mimenomenona, araka ny Eksodosy 16:1-3? [w 15/3/93 p. 21, feh. 1-3]

9. Nahoana ny firenen’ny Israely no nolazaina fa ‘fanjaka-mpisorona sy firenena masina’, araka ilay fifanekena ao amin’ny Eksodosy 19:5, 6? [w 1/7/95 p. 16, feh. 8]

10. Nahoana no ambony lavitra noho ny lalàna ataon’olombelona ilay didy fahafolo mandrara ny fitsiriritana? (Eks. 20:17) [w 15/6/06 p. 23-24, feh. 16]

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara