‘Mitoria Amin’ny Fomba Feno’ ao Amin’ny Trano Lehibe
1 Tiantsika ny ‘hitory ny vaovao tsara amin’ny fomba feno’, toy ny apostoly Paoly. (Asa. 20:24) Miezaka hitory amin’olona betsaka araka izay azo atao àry isika. Anisan’izany ny olona mipetraka ao amin’ny trano lehibe misy mpanofa maromaro. Sarotra anefa indraindray ny miditra ao amin’ireny trano ireny.
2 Maro amin’izy ireny no tsara hidy sady misy mpiambina na kamerà. Be dia be mantsy ny heloka bevava sy ny herisetra. (2 Tim. 3:1, 2) Mety ho efa nanome baiko koa ny tompon’andraikitra hoe tsy azo idikidirana any. Mety hasainy hivoaka isika, indrindra raha efa nisy mpanofa trano nitaraina. Tena ilaina àry ny ho malina sy mahay misaina.
3 Rahoviana? Tsara ny mitory ao amin’ireny trano lehibe ireny rehefa ao an-trano ny olona, toy ny mitory amin’ny faritany hafa ihany. Nahatratra olona an-trano ny mpitory maro nitory harivariva, na asabotsy sy alahady tolakandro.
4 Ahoana no hidirana ao? Afaka tonga dia mitory amin’ireo olona mipetraka ao amin’ireny trano ireny isika, fa tsy voatery miresaka amin’ny tompon’andraikitra na ny mpiambina. Raha mihidy ny vavahady ary misy telefaonina eo, dia azontsika ampiasaina izany mba hitadiavana olona manaiky hampandroso antsika. Angamba mety ho afaka hitory isam-baravarana isika, rehefa avy niresaka tamin’ilay olona nampandroso. Fahendrena anefa indraindray ny mivoaka an’ilay trano, ary mampiasa an’ilay telefaonina eo am-bavahady indray, mba hiresahana amin’ny olon-kafa. Isika ihany no mahita hoe mpanofa trano firy no hiresahantsika amin’iny indray mandeha iny.
5 Mety ho tian’ny mpanofa trano sasany ny ilazanao ny anton-dianao, eo amin’ilay telefaonina eo am-bavahady. Lazao àry hoe iza ianao, ary aoka ianao ho sariaka. Tonòny ny anaran’ilay olona, raha hitanao misoratra eo amin’ny fidirana. Nisy mpitory nahita vokatra rehefa namaky fampidiran-dresaka avy tao amin’ny boky Fanjohian-kevitra.
6 Raha tsy avelan’ny mpiambina miditra isika, dia azontsika atao ny miezaka mitory aminy. Mpiambina maro no tia mamaky ny boky na gazetintsika. Mety ho afaka hanomboka fampianarana Baiboly mihitsy aza isika. Raha avelan’ny mpiambina mitsidika olona liana isika, dia tsara ny tsy manararaotra izany ka handondòna ao amin’ny varavarana hafa ao amin’ilay trano.
7 Kitapo sy fahalalam-pomba: Mora voamarika isika raha mivimbina kitapo ngezabe. Azo eritreretina àry ny hitondra kitapo kelikely, na tsy hitondra mihitsy. Misy mampiasa kitapo fisaka, ary entiny eny an-tanany na ao am-paosiny ny Baiboly.
8 Aleo tsy mitangorona, indrindra eo amin’ny fidirana na parking, satria misarika ny saina izany. Mila mailo isika, raha faritra be heloka bevava no misy an’ilay trano lehibe itoriantsika. (Ohab. 22:3) Mety hitory eo amin’ny rihana iray ihany, ohatra, ny mpitory efatra na enina, ary tsy hifanalavitra. Ho re izay manjo ny sasany, amin’izay. Mety hifandimby izy ireo: Raha mandom-baravarana ny sasany, dia hiandry kosa ny sasany.
9 Fafao ny kiraronareo eo am-pidirana an’ireny trano ireny, ary hidio ny varavarana rehefa tafiditra. Aza miahotrahotra, fa tonga dia manatòna ny tohatra na miakara ao amin’ny rihana tokony hiasanareo. Tsy hisy hiahiahy anareo amin’izay.
10 Manako be ny feo ao amin’ny ankamaroan’ny lalantsaran’ireny trano ireny. Aza miteny mafy àry, fa aoka ilay olona itorianao ihany no handre ny teninao. Aza miteny mafy na mitabataba koa rehefa miresaka amin’ny mpitory namanao, mba tsy hampiahiahy. Misy mpitory mandondòna eo amin’ny varavarana voalohany, ary avy eo mandingana any amin’ny farany, mba tsy hanelingelina an’ireo mpanofa trano. Mety hatahotra koa ny olona ao an-trano, raha mandondona mafy sy misesisesy be isika.
11 Raha misy lavaka fitsikilovana eo amin’ny varavarana, dia mijoroa tandrifiny ianao sy ilay namanao, mba ho hitan’ny tompon-trano. Jereo tsara ilay lavaka ary raha voamarikao fa misy mitsikilo eo, dia arahabao ilay olona ary atombohy ny resaka. Lazao ny anaranao sy ny an’ilay namanao, raha manontany ilay olona hoe: ‘Iza izao?’ Mety hahazo toky ilay olona ka hamoha trano. Tohizo avy eo ivelany ihany anefa ny resaka, raha tsy mamoha trano izy.
12 Ireo tsy tratra an-trano: Matetika no mitaraina ny tompon’andraikitra hoe izy ireo no voatery mitsimpona ny taratasy mivalona eny amin’ny tany na eran’ny lalantsara. Mety ho latsaka mantsy izy ireny, raha asisika fotsiny eo am-baravarana. Tsy tokony hatao taza-maso àry izay zavatra apetratsika ho an’ireo tsy tratra an-trano.
13 Olona tezitra: Raha sendra olona tezitra isika, ary mandrahona ny hiantso ny tompon’andraikitra izy, dia aleo miala eo amin’izany rihana izany ary miverina amin’ny manaraka. Tsara indraindray ny mivoaka an’ilay trano be mpanofa, mba tsy hifanehatra amin’ilay tompon’andraikitra. Na dia tsy miteny mivantana aza ilay olona hoe aza miverina intsony, dia mety ho tsara raha tadidina ilay varavarana, ary soratana eo amin’ny sarin’ny faritany hoe tsy tokony hotsidihina intsony. Atao toy ny trano hafa tsy tokony hotsidihina izy ireny, ka mpitory za-draharaha sy mahay mandanjalanja no hotendrena hitsidika an’ilay olona mba hahalalana izay tiany.
14 Raha roahina ianao: Hendry ianao raha mandeha avy hatrany, raha roahin’ny tompon’andraikitra na mpiambina. Raha azo atao, dia aleo misoroka izay mety ho fandrahonana hitory antsika any amin’ny polisy na any amin’ny fitsarana. Tsy mitsara an-tendrony antsika Vavolombelon’i Jehovah ny tompon’andraikitra ao amin’ireny trano ireny matetika, fa manao ny asany fotsiny.
15 Rehefa roahin’ny tompon’andraikitra ianao, dia indraindray afaka manazava ihany amin-katsaram-panahy sy amim-pahaiza-mandanjalanja ny antony itsidihanao. (1 Pet. 3:15) Ekentsika fa andraikiny tokoa ny manao izay hahafa-po ny mpanofa trano sy miambina an’ilay trano. Mety havelany hijanona ao ihany angamba ianao. Raha azo atao, dia mangataha alalana mba ho afaka handalo tsindraindray hametraka zavatra hovakina. (Kol. 4:6) Tokony holazaina amin’ny mpiandraikitra ny fanompoana ny toe-javatra toy izany.
16 Mety ho afaka hanandrana hitory ao amin’ilay trano indray ny mpitory, rehefa afaka elaela. Raha mbola misy ihany ny olana, dia tokony hangataka fanampiana amin’ny biraon’ny sampana ny anti-panahy. Azo atao mantsy ny mitady fomba hafa, ohatra hoe miresaka an-telefaonina na manoratra taratasy, raha tsy afaka mitory amin’ny mpanofa trano ny mpitory. Misy mitory eny an-dalana, eo anoloan’ireny trano be mpanofa ireny, amin’ny maraina na hariva. Amin’izay mantsy ny mpanofa trano no mandeha miasa na mody avy niasa.
17 Efa tena akaiky ny faran’ity tontolo ratsy ity. Izay miantso ny anaran’i Jehovah ihany no hovonjena. Olona maro ao amin’ireny trano lehibe ireny no ‘manana toe-po tsara mba hahazoana fiainana mandrakizay.’ (Asa. 13:48) Afaka mitory ny vaovao tsara amin’izy ireny àry isika, raha malina.