Fomba Fanolorana Gazety
Ny Tilikambo Fiambenana 1 Jolay
“Azon’ny olona atao ve ny mifandray akaiky amin’ilay Andriamanitra Mahery Indrindra, araka ny hevitrao? [Avelao izy hamaly, ary vakio ny Asan’ny Apostoly 17:27.] Resahin’ity lahatsoratra ity hoe nahoana no azontsika antoka fa tian’Andriamanitra hifandray akaiky aminy isika.” Asehoy ilay lahatsoratra eo amin’ny pejy 10.
Mifohaza! Jolay
“Hita avy amin’ny fialam-boly maro, fa mihabetsaka ny olona tia mifandray amin’ny fanahy ratsy. Tsy mampidi-doza ve io fanao io aminao? [Avelao izy hamaly, ary vakio ny Deoteronomia 18:10-12.] Resahin’ity lahatsoratra ity izay lazain’ny Baiboly momba ny loza ateraky ny asan’ny maizina.” Asehoy ilay lahatsoratra eo amin’ny pejy 10-11.
Ny Tilikambo Fiambenana 1 Aog.
“Tena simba ny tontolo iainana, ka olona maro no matahotra sao ho potika ny tany amin’ny hoavy. Ahoana ny hevitrao? [Avelao izy hamaly, ary vakio ny Salamo 37:11.] Misy andinin-teny ato amin’ity gazety ity, mampiseho fa ho tsara kokoa ny fiainana eto an-tany amin’ny hoavy.”
Mifohaza! Aog.
“Maro no mino fa tandindomin-doza ny tany sy ny olombelona, noho ny fiakaran’ny mari-pana. Ahoana no hamahana an’io olana io, araka ny hevitrao? [Avelao izy hamaly, ary vakio ny Isaia 11:9.] Hazavain’ity gazety ity hoe nahoana no azo antoka fa mbola ho eo mandrakizay ny tany, mba honenan’ny olona.”