Fampandrenesana
◼ Martsa: Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly? Miezaha hanomboka fampianarana Baiboly. Aprily sy Mey: Ny Tilikambo Fiambenana sy Mifohaza! Miezaha hametraka ny boky Ampianarina, rehefa miverina mitsidika an’ireo olona liana, anisan’izany ireo nanatrika ny Fahatsiarovana na fandaharana hafa, nefa mbola tsy tena miaraka amin’ny fiangonana. Ataovy tanjona ny hanomboka fampianarana Baiboly amin’io boky io. Jona: Mivavaha Amin’ilay Hany Andriamanitra Marina.
◼ Tokony hozaraina avy hatrany Ny Tilikambo Fiambenana sy Mifohaza!, raha vantany vao tonga ao amin’ny Efitrano Fanjakana. Amin’izay dia ho afaka hamaky azy ireo ny mpitory, alohan’ny hametrahany azy eny amin’ny saha.
◼ Tokony hanamarina ny kaontin’ny fiangonana nandritra ny volana Desambra sy Janoary ary Febroary ny rahalahy iray tendren’ny mpiandraikitra mpitantan-draharaha. Tsy tokony ho olona iray foana no hotendreny hanao izany. Rehefa vita ilay izy, dia ampandreneso ny fiangonana, aorian’ny famakiana ny tatitra momba ny kaonty fanao isam-bolana.—Jereo ny Toromarika Momba ny Fanaovana ny Kaontin’ny Fiangonana (S-27).
◼ Izao no foto-kevitry ny fivoriamben’ny vondrom-paritra 2008: “Araho ny Fitarihan’ny Fanahy Masina.”