Famerenana Amin’ny Sekolin’ny Fanompoana
Hodinihina amin’ny Sekolin’ny Fanompoana ireto fanontaniana ireto, ny herinandron’ny 25 Febroary 2008. Hanao famerenana maharitra antsasak’adiny ny mpiandraikitra ny sekoly. Miorina amin’ny fanazavana tao amin’ireo anjara nanomboka ny herinandron’ny 7 Janoary ka hatramin’ny 25 Febroary 2008 izy io. [Fanamarihana: Mila manao fikarohana ianao mba hahitana ny valiny, raha tsy misy loharanon-kevitra eo aorian’ilay fanontaniana.—Jereo ny Sekolin’ny Fanompoana, p. 36-37.]
ZAVATRA TANDREMANA
1. Inona no tokony hataontsika, mba hanampiana ny mpihaino hahatakatra ny hevitry ny andinin-teny? Nahoana isika no mila manao izany? [be p. 228, feh. 2-3]
2. Nahoana no tena ilaina ny miezaka mba hampiana-javatra ny mpihaino? Ahoana no azo anaovana izany? [be p. 230, feh. 3-5, efajoro]
3. Afaka hampiana-javatra bebe kokoa ny mpihaino ianao, raha manao fikarohana. Nahoana? [be p. 231, feh. 1-3]
4. Ahoana no ahafahana mampiana-javatra bebe kokoa ny mpihaino, raha andinin-teny efa fantany tsara no resahina? [be p. 231, feh. 4-5]
5. Nahoana no tena ilaina ny mandrisika ny olona hieritreritra momba ny andinin-teny vakina? [be p. 232, feh. 3-4]
ANJARA No. 1
6. Inona no mampiseho fa nosoratana voalohany indrindra ho an’ny Jiosy ny bokin’i Matio? [si p. 176, feh. 6-7]
7. Ahoana no hanomanantsika ny fontsika mba handray ny fampianaran’i Jehovah, izay omena avy eny amin’ny lampihazo? (2 Tant. 20:33) [be p. 13, feh. 4–p. 14, feh. 5]
8. Ahoana no azon’ny ray aman-dreny ampiofanana ny zanany mba ho ‘hendry ho amin’ny famonjena’? (2 Tim. 3:15) [be p. 16, feh. 3-4]
9. Inona no mampiseho fa manasongadina ny fahatanterahan’ny faminanian’ny Baiboly ny Filazantsaran’i Matio? [si p. 181, feh. 32]
10. Asongadin’ny Filazantsaran’i Matio fa i Jesosy ilay Mesia sy Mpanjaka nampanantenaina. Ahoana kosa no fomba iresahan’ny Filazantsaran’i Marka azy? [si p. 182, feh. 7-8]
FAMAKIANA BAIBOLY ISAN-KERINANDRO
11. Ratsy kokoa ve ny mamoaka fahatezerana noho ny mitahiry izany? (Matio 5:21, 22) [w 15/1/08 “Velona ny Tenin’i Jehovah—Hevitra Misongadina ao Amin’ny Bokin’i Matio”]
12. Inona no hanampy ny Kristianina hanana ‘maso tsotra’? (Matio 6:22, 23) [w 1/10/06 p. 29]
13. Inona no hevitra tian’i Jesosy hampitaina, rehefa nanontany ny mpianany izy hoe: “Azonareo ve ny hevitr’izany rehetra izany?” (Matio 13:51, 52) [w 15/1/08 “Velona ny Tenin’i Jehovah—Hevitra Misongadina ao Amin’ny Bokin’i Matio”]
14. Matetika i Jesosy no nandidy an’ireo olona nositraniny mba “tsy hilazalaza ny momba azy.” Nahoana? (Matio 12:16) [cl p. 93-94]
15. Inona no lesona tian’i Jesosy hampitaina amin’ilay hoe: “Araka ny famarana amaranareo no hamarana ho anareo?” (Marka 4:24, 25) [w 15/12/80 p. 12; gt toko 43]