FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • km 1/08 p. 7
  • Fampandrenesana

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Fampandrenesana
  • Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2008
Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2008
km 1/08 p. 7

Fampandrenesana

◼ Janoary: Ny Baiboly—Tenin’Andriamanitra sa Tenin’olona? Raha tsy mandray an’io ilay olona, dia manolora bokikely Lalana. Febroary: Ny Tsiambaratelon’ny Fahasambaram-pianakaviana. Azo atolotra koa izay boky miangona be ao amin’ny tahirin’ny fiangonana. Martsa: Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly? Miezaha hanomboka fampianarana Baiboly. Aprily: Ny Tilikambo Fiambenana sy Mifohaza! Rehefa miverina mitsidika ny olona liana ianao, dia tsidiho koa ireo nanatrika Fahatsiarovana sy/na fandaharana hafa, nefa mbola tsy tena miaraka amin’ny fiangonana. Miezaha hametraka ny boky Ampianarina. Ataovy tanjona ny hanomboka fampianarana Baiboly amin’io boky io.

◼ Misy faran’ny herinandro dimy amin’ny Martsa, ka tena tsara hanaovana ny asan’ny mpisava lalana mpanampy.

◼ Tokony hanao fandaharana mety tsara ny fiangonana, mba hankalazana ny Fahatsiarovana ny asabotsy 22 Martsa, aorian’ny filentehan’ny masoandro. Na dia mety hanomboka aloha kokoa aza ny lahateny, dia tsy tokony hampandalovina ny mofo sy divay, raha tsy aorian’ny filentehan’ny masoandro. Tsara raha samy manao ny fankalazany ny Fahatsiarovana ny fiangonana tsirairay. Mety tsy ho azo atao foana anefa izany. Raha fiangonana maromaro no mampiasa ny Efitrano Fanjakana, dia tokony hitady toerana hafa ny fiangonana tsy afaka mampiasa ny efitrano, amin’io takariva io. Tsara raha mielanelana 40 minitra, fara fahakeliny, ny fotoam-pivoriana roa. Amin’izay dia samy ho afaka hifampiresaka tsara ny rehetra, aorian’ny Fahatsiarovana. Hanapa-kevitra ny amin’izay ho fandaharana mety indrindra eo an-toerana ireo anti-panahy.

◼ Tokony hanana ny taratasy fanendrena mpisava lalana (S-202) momba ny mpisava lalana maharitra tsirairay eo anivon’ny fiangonana, ny mpitan-tsoratra. Tokony hanoratra atỳ amin’ny biraon’ny sampana izy, raha tsy manana izany.

◼ Hianatra ny boky Ny Bokiko Misy Fitantarana avy ao Amin’ny Baiboly isika mandritra ny Fianarana Boky, manomboka ny 4 Aogositra 2008.

◼ DVD vaovao misy:

Vavolombelon’i Jehovah—Voalamina mba Hitory ny Vaovao Tsara sy Ireo Rahalahintsika Rehetra ao Amin’ny Finoana malagasy

◼ Kapila mangilatra vaovao misy:

Manatòna An’i Jehovah malagasy

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara