Aza Avela Hihena ny Fitiavana Nanananao Tamin’ny Voalohany
1 Hoy i Jesosy tamin’ireo Kristianina voalohany tany Efesosy, rehefa avy nomem-boninahitra izy: “Izao no anomezako tsiny anao: Nialanao ny fitiavana nanananao tamin’ny voalohany.” (Apok. 2:4) Maro tamin’izy ireo angamba no lasa tsy nanana fitiavana an’i Jehovah, toy izay nananany tamin’ny voalohany. Nihalalina ny fitiavantsika an’Andriamanitra sy ny mpiara-belona amintsika, rehefa nianatra ny fahamarinana isika. Lasa nazoto niresaka an’ilay fanantenantsika vaovao isika, noho izany. Inona no hanampy antsika mba tsy hihenan’ny fitiavana nananantsika tamin’ny voalohany, sy ny zotom-pontsika amin’ny fanompoana?
2 Fianarana samirery sy fivoriana: Tamintsika vao nianatra ny fahamarinana, inona no nampitombo ny fitiavantsika an’Andriamanitra sy ny mpiara-belona? Izay rehetra fantatsika momba an’i Jehovah, avy tao amin’ny Soratra Masina. (1 Jaona 4:16, 19) Tsy maintsy manohy mandray fahalalana marina tsara àry isika, ary mikaroka “ny zava-dalin’Andriamanitra”, mba ‘hitomboan’ny fitiavantsika bebe kokoa hatrany.’—1 Kor. 2:10; Fil. 1:9-11.
3 Mety ho sarotra ny mihazona ny fahazarantsika mianatra samirery, amin’izao andro farany feno zavatra mampanahy sy manelingelina izao. (2 Tim. 3:1) Tsy maintsy manokana fotoana handraisana sakafo ara-panahy anefa isika. Ilaina koa ny mivory tsy tapaka, indrindra satria ‘hitantsika fa manakaiky ny andro.’—Heb. 10:24, 25.
4 Fanompoana: Ho toy ny tamin’ny voalohany foana ny fitiavantsika an’Andriamanitra, raha mazoto manompo isika. Mahatsiaro ny fampanantenany feno fitiavana isika, rehefa mitory ny vaovao tsara. Hampamirapiratra hatrany ny fanantenantsika izany, ary ho tia an’i Jehovah foana isika. Mila manao fikarohana koa isika rehefa hampianatra Baiboly, mba hahazoantsika tsara ny fahamarinana. Manatanjaka ny finoantsika izany.—1 Tim. 4:15, 16.
5 Mendrika homena ny zava-drehetra i Jehovah, anisan’izany ny fitiavantsika. (Apok. 4:11) Aza avela hihena mihitsy izany. Mazotoa mianatra samirery ny Baiboly. Mivoria tsy tapaka ary resaho amin’ny hafa ireo zavatra tena sarobidy aminao. Hiredareda toy ny tamin’ny voalohany foana ny fitiavanao an’i Jehovah, raha manao izany ianao.—Rom. 10:10.