Fampandrenesana
◼ Novambra: Mianara Amin’ilay Mpampianatra Lehibe. Raha tsy manan-janaka ilay olona, dia ilay taratasy mivalona Tianao ve ny Hahafantatra Tsara ny Baiboly?, na taratasy mivalona hafa mety aminy no atolotra. Desambra: Ilay Lehilahy Niavaka Indrindra Teto An-tany. Azo atolotra koa ny iray amin’ireto: Ny Baiboly—Tenin’Andriamanitra sa Tenin’olona? na Ny Bokiko Misy Fitantarana avy ao Amin’ny Baiboly. Janoary: Apokalypsy—Akaiky Ilay Fiafarana Miavaka! Raha tsy mandray an’io ilay olona, dia manolora bokikely Miambena Hatrany! Febroary: Manatòna An’i Jehovah. Manolora boky Fahalalana raha mbola manana tahiry amin’izy io ny fiangonana. Azo atolotra koa ireo boky hafa miangona be ao amin’ny tahirim-boky.
◼ Faly izahay milaza aminareo fa nohavaozina ny boky Ny Fanambarana—Akaiky ny Fiafarany Malaza!, satria efa manana Ny Soratra Grika Kristianina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao isika. Tokony ho tonga amin’ity Novambra ity ilay boky vaovao. Tonga dia handefasanay azy io ny fiangonana. Mariho fa novana hoe Apokalypsy—Akaiky Ilay Fiafarana Miavaka!, ilay lohateniny hoe Ny Fanambarana—Akaiky ny Fiafarany Malaza!
◼ Efa misy amin’ny soratra lehibe ny boky Apokalypsy—Akaiky Ilay Fiafarana Miavaka! Tokony hanafatra izay ilainy ny fiangonana, mba hampiasaina amin’ny fotoana hianarana an’ilay boky. Tokony ho tonga eto amintsika amin’ity Novambra ity koa izy io.