Inona no Ataonao Loha Laharana?
1 Ahoana no havalinao an’io fanontaniana io? Mazava ho azy fa maniry hanao ho loha laharana ny asan’ilay Fanjakana isika rehetra. (Matio 6:33) Azontsika atao anefa ny manontany tena hoe: ‘Hita amin’ny safidy ataoko ve izany?’ Mampirisika antsika ny Baiboly hoe: “Zahao toetra foana ny tenanareo.” (2 Kor. 13:5) Inona no fizahan-toetra azontsika atao mba hahitana raha loha laharana eo amin’ny fiainantsika foana ilay Fanjakana?
2 Ny fotoanantsika: Azontsika dinihina aloha ny fomba ampiasantsika ny fotoanantsika. (Efes. 5:15, 16) Adiny firy isan-kerinandro no lanintsika hiaraha-mikorana amin’ny havana aman-tsakaiza, na hijerena tele sy Internet, na hialana voly? Mety ho gaga isika raha manoratra ny fotoana lanintsika amin’ireo zavatra ireo, ka mampitaha an’izany amin’ny fotoana lanintsika anaovana ireo asa mifandray amin’ny fanompoana an’Andriamanitra. Miasa mandritra ny ora fanampiny ve isika mba hahafahana hividy haitraitra fotsiny, ka lasa ambanin-javatra ny fanompoana masina? Impiry isika no tsy mivory na tsy mitory amin’ny faran’ny herinandro, fa mandeha mitsangantsangana?
3 Mametraha laharam-pahamehana: Saika isika rehetra no tsy manam-potoana ampy hanaovana izay rehetra tiantsika. Raha tiantsika ho loha laharana àry ilay Fanjakana, dia mila mandinika izay tokony ho laharam-pahamehana isika, ary avy eo manokana fotoana ho amin’izay “zava-dehibe kokoa.” (Fil. 1:10) Anisan’izany ny fianarana ny Tenin’Andriamanitra, fandraisana anjara amin’ny fanompoana, fikarakarana ankohonana, ary fanatrehana fivoriana. (Sal. 1:1, 2; Rom. 10:13, 14; 1 Tim. 5:8; Heb. 10:24, 25) Ilaina koa ny fanatanjahan-tena araka ny antonony sy ny fialam-boly mahasoa. (Marka 6:31; 1 Tim. 4:8) Tsy tokony havelantsika hisongona ny fanompoana an’i Jehovah anefa ireo zavatra tsy dia lehibe loatra ireo.
4 Niezaka nanao ho loha laharana ny asan’ilay Fanjakana ny rahalahy tanora iray. Naleony ny fanompoana manontolo andro, toy izay ny fianarana ambony ahazoana asa tsy ara-pivavahana. Nianatra teny vahiny izy ary nifindra tany amin’ny toerana nilana mpitory maro kokoa. Hoy izy: “Tiako be ny fiainako atỳ. Tena mahafinaritra ny fanompoana! Tiako raha mba manao toa ahy koa ny tanora rehetra. Ho afa-po toa ahy izy ireo amin’izay. Tsy misy zavatra tsara kokoa noho ny manompo an’i Jehovah amin’ny fo manontolo.” Andraisana fitahiana tokoa ny fanaovana an’ilay Fanjakana ho loha laharana, ary ambonin’izany dia mampifaly an’i Jehovah, ilay Raintsika any an-danitra.—Heb. 6:10.