Fampandrenesana
◼ Aogositra: Iray amin’ireto bokikely 32 pejy ireto no atolotra: Fiainana Mahafa-po—Ahoana no Hahitana Izany?, “Indro, Havaoziko ny Zavatra Rehetra”, Inona no Mitranga Amintsika Rehefa Maty Isika?, Inona no Zava-kendren’ny Fiainana—Ahoana no Mety Hahitanao Azy Io?, Ny Fitondram-panjakana Izay Hitondra ny Paradisa, Rehefa Nodimandry ny Olona Iray Tianao, Tena Miahy Antsika ve Andriamanitra?, Tokony Hino ny Trinite ve Ianao? Septambra: Boky Ampianarina. Hanao ezaka manokana isika, mba hanombohana fampianarana Baiboly amin’ny fitoriana voalohany. Tokony hotsidihina ireo rehetra nametrahana boky, ary ataovy tanjona ny hanomboka fampianarana Baiboly. Oktobra: Ny Tilikambo Fiambenana sy Mifohaza! Atolory ny bokikely Miambena Hatrany! raha liana ilay olona, mba hanampiana azy ho liana kokoa amin’ny Baiboly. Novambra: Mianara Amin’ilay Mpampianatra Lehibe. Taratasy mivalona Tianao ve ny Hahafantatra Tsara ny Baiboly? no atolotra ho an’ireo tsy manan-janaka, na taratasy mivalona hafa mifanentana aminy.
◼ Ny mpiandraikitra mpitantan-draharaha, na izay tendreny, dia tokony hanamarina ny kaontin’ny fiangonana amin’ny 1 Septambra, na haingana araka izay azo atao aorian’io. Rehefa vita ilay izy, dia asio fampandrenesana ho an’ny fiangonana, miaraka amin’ilay tatitra momba ny kaonty manaraka.