FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • km 8/06 p. 3
  • Famerenana Amin’ny Sekolin’ny Fanompoana

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Famerenana Amin’ny Sekolin’ny Fanompoana
  • Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2006
Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2006
km 8/06 p. 3

Famerenana Amin’ny Sekolin’ny Fanompoana

Hodinihina am-bava amin’ny Sekolin’ny Fanompoana ireto fanontaniana ireto, ny herinandron’ny 28 Aogositra 2006. Hanao famerenana maharitra antsasak’adiny ny mpiandraikitra ny sekoly. Miorina amin’ny fanazavana tao amin’ireo anjara nanomboka ny herinandron’ny 3 Jolay ka hatramin’ny 28 Aogositra 2006 izy io. [Fanamarihana: Mila manao fikarohana ianao mba hahitana ny valiny, raha tsy misy loharanon-kevitra eo aorian’ilay fanontaniana.—Jereo ny Sekolin’ny Fanompoana, p. 36-37.]

ZAVATRA TANDREMANA

1. Nahoana no manampy antsika ho tonga mpampianatra mahay kokoa ny fijerena ny mpihaino eo amin’ny masony? (Matio 19:25, 26; Asa. 14:9, 10) [be p. 124, feh. 3–p. 125, feh. 3]

2. Nahoana isika no tokony hampiasa fiteny tsotra fa tsy hanamboamboatra fiteny? Ahoana no ampiharantsika izany eny amin’ny fanompoana? [be p. 128, feh. 1-5, efajoro]

3. Nahoana isika no tokony hadio sy hilamina? [be p. 131, feh. 1-3]

4. Tokony hanao ahoana ny fitafiana sy taovolontsika, raha ‘maotina sy hendry’ isika? (1 Tim. 2:9) [be p. 131, feh. 4–p. 132, feh. 1]

5. Inona no toro lalan’ny Baiboly tokony hampiharintsika, mba tsy hahitana taratry ny fitiavana an’izao tontolo izao ny fitafiana sy taovolontsika? [be p. 133, feh. 2-3]

ANJARA No. 1

6. Inona no soa lehibe indrindra azo avy amin’ny famakian-teny? [be p. 21, feh. 3]

7. Ahoana no amantarana hoe hendry sa adala ny olona iray? (Ohab. 14:2) [w 15/11/04 p. 26, feh. 5]

8. Nahoana no ‘mora mahazo fahalalana ny manan-tsaina [na kinga saina]’? (Ohab. 14:6) [w 15/11/04 p. 28, feh. 4-5]

9. Inona no atao hoe mianatra? [be p. 27, feh. 3]

10. Inona no tokony ho vokatry ny fisaintsainana ny asa famoronan’i Jehovah eo amintsika? [w 15/11/04 p. 8, feh. 4]

FAMAKIANA BAIBOLY ISAN-KERINANDRO

11. Inona ilay ‘teny nomen’i Jehovah’ fahiny, izay nahatonga vehivavy maro hanambara vaovao tsara, ary inona no zava-mitranga mitovy amin’izany ankehitriny? (Sal. 68:11)

12. Inona no saika nahatonga an’i Asafa tsy hanao ny marina intsony, ary ahoana no nanitsiana ny fomba fisainany? (Sal. 73:2, 3, 17)

13. Nahoana no nantsoina hoe “varin’ny lanitra” sy “fihinan’ny mahery” ny mana nomena ny Israelita? (Sal. 78:24, 25)

14. Inona ilay “fierena izay an’ny Avo Indrindra”? Ary ahoana no ‘itoerantsika’ ao? (Sal. 91:1, 2)

15. Inona no hevitry ny hoe zava-dehibe eo imason’i Jehovah ny fahafatesan’ny olony masina? (Sal. 116:15)

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara