FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • km 7/06 p. 7
  • Fampandrenesana

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Fampandrenesana
  • Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2006
Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2006
km 7/06 p. 7

Fampandrenesana

◼ Jolay sy Aogositra: Iray amin’ireto bokikely 32 pejy ireto no atolotra: Fiainana Mahafa-po—Ahoana no Hahitana Izany?, “Indro, Havaoziko ny Zavatra Rehetra”, Inona no Mitranga Amintsika Rehefa Maty Isika?, Inona no Zava-kendren’ny Fiainana—Ahoana no Mety Hahitanao Azy Io?, Ny Fitondram-panjakana Izay Hitondra ny Paradisa, Rehefa Nodimandry ny Olona Iray Tianao, Tena Miahy Antsika ve Andriamanitra?, Tokony Hino ny Trinite ve Ianao? Septambra: Boky Ampianarina. Hanao ezaka manokana isika, mba hanombohana fampianarana Baiboly amin’ny fitoriana voalohany. Tokony hotsidihina ireo rehetra nametrahana boky, ary ataovy tanjona ny hanomboka fampianarana Baiboly. Oktobra: Ny Tilikambo Fiambenana sy Mifohaza! Atolory ny bokikely Miambena Hatrany! raha liana ilay olona, mba hanampiana azy ho liana kokoa amin’ny Baiboly.

◼ Manomboka amin’ny Septambra, ny mpiandraikitra ny faritra dia hanao ilay lahateny ho an’ny besinimaro hoe “Manao Ahoana ny Lazanao eo Anatrehan’Andriamanitra?”

◼ Hianatra ny boky Ny Fanambarana—Akaiky ny Fiafarany Malaza! isika mandritra ny Fianarana Boky, manomboka ny 8 Janoary 2007.

◼ Tokony hojeren’ny mpitan-tsoratra raha ananany daholo ny Taratasy Fanendrena Mpisava Lalana (S-202), momba ny mpisava lalana maharitra tsirairay ao amin’ny fiangonany. Raha tsy ao ny an’ny mpisava lalana sasany, dia manorata atỳ amin’ny biraon’ny sampana.

◼ Tokony hatao amin’ny 31 Aogositra 2006, na aoriana kelin’izay, ny fanisana isan-taona ny boky sy gazety rehetra eo am-pelatanana. Fanisana toy ny ataon’ny mpandrindra ny boky isam-bolana izy io, ary tokony hampidirina ao amin’ny taratasy Filazana ny Isan’ny Boky sy Gazety (S-18). Tokony hangatahina amin’ny mpikarakara ny gazety, ny tontalin’ny gazety eo am-pelatanana. Tokony hanara-maso ilay fanisana ny mpitan-tsoratry ny fiangonana mpandrindra. Hanao sonia ilay taratasy izy sy ny mpiandraikitra mpitantan-draharahan’ny fiangonana mpandrindra. Haharay taratasy Filazana ny Isan’ny Boky sy Gazety telo avy ny fiangonana mpandrindra tsirairay. Fenoy aloha ny iray. Adikao madio ao amin’ireo taratasy roa ambiny izy io avy eo, ka ny iray alefaso atỳ amin’ny biraon’ny sampana, fara fahatarany, ny 6 Septambra. Tahirizo ao amin’ny antontan-taratasin’ny fiangonana kosa ilay iray hafa. Azo rovitina ilay fahatelo.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara