“Akaiky ny Fanafahana!” Fivoriamben’ny Vondrom-paritry ny Vavolombelon’i Jehovah 2006
1. Inona no foto-kevitry ny fivoriamben’ny vondrom-paritra, ary nahoana izany no mety tsara?
1 Hoy i Isaia: “Andriamanitry ny fahamarinana Jehovah; sambatra izay rehetra miandry Azy.” (Isaia 30:18b) Maro ny tantara ao amin’ny Baiboly mampiseho fa Andriamanitry ny fahamarinana i Jehovah, ka nampihatra didim-pitsarana tamin’ny fahavalony, ary nanafaka ny mpanompony mahatoky. Inona avy no lesona raisin’ny mpanompon’i Jehovah ankehitriny avy amin’ireny tantara ireny? Inona no azontsika atao dieny izao mba hiomanana ho amin’ilay “andron’i Jehovah, izay sady lehibe no mahatsiravina”? (Joela 3:4, 5) Hanampy antsika hieritreritra tsara momba ireo fanontaniana ireo sy handini-tena ary hiandry an’i Jehovah hatrany, ny fivoriamben’ny vondrom-paritra hatao tsy ho ela. Ny foto-kevitr’izy io dia hoe: “Akaiky ny Fanafahana!”
2. Ahoana no nampisehoan’ny vahoakan’Andriamanitra fahiny fa nankasitrahany ny fivavahana marina, ary ahoana no azontsika anahafana azy ireo?
2 Fahiny, dia naniraka olona hizara taratasy i Hezekia mpanjakan’i Joda, mba handidiana ny vahoaka hivory tany Jerosalema. (2 Tant. 30:6, 13) Hita tamin’ny fihetsiky ny vahoaka ny fiheveran’izy ireo ny fivavahana marina. (2 Tant. 30:10-12) Tsy ho ela koa isika mpanompon’i Jehovah dia hiara-mivory mba hivavaka aminy. Ho afaka hampiseho isika amin’izay, fa tena mankasitraka izany tombontsoa izany. Nisy taratasy nalefa tatỳ amin’ny fiangonana, mba hanasana anao hanatrika ny Fivoriamben’ny Vondrom-paritra “Akaiky ny Fanafahana!” Hanaiky ilay fanasana ve ianao? Mety hisy olona mila ampiana eo anivon’ny fiangonana, mba ho afaka hanatrika an’io fivoriambe io. Tokony ho vonona hanao izany ny anti-panahy, ka ny zokiolona no tokony hampiany voalohany.—Gal. 6:10.
3. Inona no azontsika atao dieny izao, mba handraisan-tsoa faran’izay betsaka amin’ny fivoriambe?
3 Miomàna dieny izao: Tokony hanatrika ilay fivoriambe manontolo isika, raha te handray soa faran’izay betsaka. Omanina amim-pitiavana ho antsika mantsy izy io. Miomàna tsara dieny izao àry, ka jereo izay zavatra ilainao hatao, mba hahafahanao sy ny fianakavianao hanatrika mandritra ny telo andro. (Ohab. 21:5) Mila mangataka andro tsy hiasana angamba ianao, na miresaka mialoha amin’ny vadinao raha tsy Vavolombelona izy. Mety hilaina koa ny mitady toerana hilasiana, na manampy ny mpianatra Baiboly mba hahafahany hanatrika mandritra ny telo andro. Aza miandry efa am-poto-moty vao manao an’ireo zavatra tena lehibe ireo. Ataovy antom-bavaka amin’i Jehovah kosa izany. Matokia fa “hataony tanteraka” ny fanirianao.—Sal. 37:5.
4. Inona no azontsika atao mba hampitombo ny fifaliantsika amin’io fivoriambe ho avy tsy ho ela io?
4 Mpiasa an-tsitrapo: Azo antoka fa tena ho faly izay rehetra manatrika io fivoriambe io, ka mandray ny sakafo ara-panahy haroso any, sy mifampahery amin’ireo mpiray finoana. Vao mainka anefa isika ho faly raha mirotsaka an-tsitrapo amin’ny asa tsy maintsy atao, mba hahatomombana ny fivoriambe. (Asa. 20:35) Hanasa antsika hanao izany ny Komitin’ny Fivoriambe tsy ho ela. Hanaiky ny fanasan’izy ireo ve ianao?—Sal. 110:3.
5. Inona no toetra tokony hasehon’ny vahoakan’i Jehovah eo amin’ny tanàna misy fivoriambe?
5 Manome voninahitra an’Andriamanitra ny fitondran-tena tsara: Efa fitoriana amin’ny olona eo amin’ny tanàna misy fivoriambe ny fitondran-tena tsara asehontsika. Inona àry no tokony hataontsika? Tokony ho tsapan’izay rehetra mihaona amintsika fa mahafinaritra ny toetrantsika, rehefa mankany amin’ny hotely fisakafoana isika, na any amin’ny toerana hafa falehan’ny olona. (Gal. 5:22, 23; Fil. 4:5) Tokony haneho fitiavana isika, ka ‘tsy hanao izay tsy mahamendrika, tsy hitady izay hahasoa ny tenantsika, tsy ho mora tezitra.’ Hataontsika ho “voninahitr’Andriamanitra ny zava-drehetra”, na dia misy olana na zavatra mahasorena aza.—1 Kor. 10:31; 13:5.
6. Ahoana no hanomezantsika voninahitra an’i Jehovah amin’ny alalan’ny fitafiana sy taovolontsika?
6 Fitafiana sy taovolo maotina: Ho mendri-kaja kokoa ny fivoriambentsika raha miezaka isika tsirairay, mba tsy hanao fitafiana na taovolo ara-damaody loatra, na sampontsampona, na tsy maotina, na baranahiny loatra. Ilaina foana izany, na eny an-dalana, na rehefa mikarakara ny toerana anaovana fivoriambe, na mandritra ny fivoriambe. Mpanompon’i Jehovah isika, ka ny fiarovana ny anarany sy ny lazany no zava-dehibe indrindra amintsika, fa tsy ny fanaovana izay tiantsika na izay mety amintsika. Manana andraikitra ny raim-pianakaviana mba hijery, raha maotina sy mampiseho fahendrena foana na tsia ny fitafiana sy taovolon’ny fianakaviany.—1 Tim. 2:9.
7. Nahoana no mbola tokony ho mendrika toy ny tany amin’ny fivoriambe ny fitafiana sy taovolontsika, rehefa miala voly?
7 Tena tokony ho mendrika foana koa ny fitafiana sy taovolontsika, rehefa miala voly isika, ka mandeha miantsena na misakafo any amin’ny hotely. Tsara raha tsy esorintsika ny akanjo nanaovana tany amin’ny fivoriambe, rehefa mirava, ka handeha hisakafo any amin’ny hotely na any an-toeran-kafa isika. Mety ho afaka hitory tsy ara-potoana isika raha manao ny karatry ny fivoriambe.—2 Kor. 6:3, 4.
8. Inona no azontsika atao mba hahatonga ny fivoriambe hilamina sy hahafaly? (Jereo ny “Fampahatsiahivana Momba ny Fivoriambe.”)
8 Hoy i Isaia: “Jehovah dia mbola hiandry mandra-pamindrany fo aminareo, ary mbola hitoetra any amin’ny avo Izy mandra-piantrany anareo.” (Isaia 30:18a) Ankasitrahantsika ny famindram-pon’i Jehovah sy ny hatsaram-panahiny tsy manam-paharoa. Tokony hanome voninahitra azy àry isika any amin’ny fivoriambe, amin’ny alalan’ny fitondran-tenantsika sy ny fitafiana ary taovolontsika. Enga anie hanome voninahitra an’ilay Andriamanitsika ny Fivoriamben’ny Vondrom-paritra “Akaiky ny Fanafahana!” Enga anie izy io hanampy antsika hiandry azy hatrany!
9. Inona no tena tianao amin’ny fivoriamben’ny vondrom-paritra isan-taona, ary tokony ho tapa-kevitra hanao inona ianao?
9 Hoy ny zazalahy iray dimy taona, nanatrika fivoriamben’ny vondrom-paritra: “Ny manatrika fivoriamben’ny vondrom-paritra no tiako indrindra amin’ny zavatra ataontsika Vavolombelon’i Jehovah.” Mampahatsiahy antsika rehetra izany teny avy amin’ny fo izany, fa tena mahafinaritra ny manatrika ny fivoriamben’ny vondrom-paritra isan-taona. Izao indrindra no hiran’ny mpanao salamo: “Ny indray andro eo an-kianjanao dia tsara noho ny arivo.” (Sal. 84:10) Nilaza koa i Davida tao amin’ny hira nataony, fa naniry ‘hitoetra ao an-tranon’i Jehovah’ izy ‘amin’ny andro rehetra hiainany, mba handinika ny tempoliny.’ (Sal. 27:4) Tena nahafaly an’i Davida ny niaraka tamin’ireo mpivavaka tamin’i Jehovah. Aoka koa isika hankasitraka ny fivavahana marina, ka hanatrika hatramin’ny farany ny Fivoriamben’ny Vondrom-paritra “Akaiky ny Fanafahana!”
[Efajoro, pejy 3]
Fandaharam-potoana
Zoma
9.30 maraina - 5.15 hariva
Asabotsy
9.30 maraina - 5.05 hariva
Alahady
9.30 maraina - 4.10 hariva
[Efajoro, pejy 4]
Fampahatsiahivana Momba ny Fivoriambe
◼ Fandaharam-potoana: Hanomboka amin’ny 9.30 maraina foana ny fivoriambe mandritra ny telo andro. Hipetraka eny amin’ny lampihazo ny mpitari-draharaha, minitra vitsivitsy alohan’ny hanombohan’ny fotoam-pivoriana, ary hisy mozikan’ilay Fanjakana halefa. Tokony hipetraka daholo isika amin’izay fotoana izay. Hifarana amin’ny 5.15 hariva ny fivoriambe ny zoma. Hifarana amin’ny 5.05 hariva kosa izany ny asabotsy, ary amin’ny 4.10 hariva ny alahady.
◼ Famandrihan-toerana: Izay olona miray fiara na trano aminao ihany no azonao amandrihana toerana. (Tandremo tsara ny entanao, satria misy olon-dratsy miditra koa ao amin’ny toerana anaovana fivoriambe.)
◼ Sakafo antoandro: Iangaviana ianareo hitondra sakafo antoandro, fa tsy hitady sakafo any ivelan’ny toerana anaovana fivoriambe. Azo atao ny mitondra harona kelikely azo apetraka eo ambany seza. Tsy azo atao kosa ny mitondra tavoahangy mora vaky sy zava-pisotro misy alkaola ary harona lehibe loatra mety hanelingelina ny hafa.
◼ Fanomezana: Be dia be mihitsy ny vola lany hikarakarana fivoriamben’ny vondrom-paritra. Afaka mampiseho ny fankasitrahantsika isika, rehefa manao fanomezana an-tsitrapo ho an’ny asa maneran-tany, any amin’ny Efitrano Fanjakana na any amin’ny fivoriambe.
◼ Fitsaboana vonjimaika: Ilazao ny mpikarakara ny mpanatrika hitanao eo akaiky eo, raha misy olona ilaina hotsaboina maika. Hilazany avy hatrany ny Sampan-draharahan’ny Fitsaboana Vonjimaika, mba hisy olona za-draharaha hijery izay mitranga, ary hitondra fanampiana.
◼ Fandraisam-peo: Tsy azo ampifandraisina amin’ny fitaovana elektrika na fanamafisam-peon’ny fivoriambe, ny fitaovana fandraisam-peo anao manokana. Azonao atao ny mampiasa fitaovana fandraisam-peo raha tsy manelingelina ny mpanatrika izany.
◼ Fakana sary: Aza mampiasa flash raha maka sary ianao mandritra ny fotoam-pivoriana.
◼ Telefaonina finday: Aza atao manelingelina ny hafa.
◼ Taratasy Tsidiho Aza Fady: Tokony hosoratana ao amin’ilay taratasy hoe Tsidiho Aza Fady (S-43) ny mombamomba ny olona nitoriana tsy ara-potoana nandritra ny fivoriambe, ka nihaino tsara. Tokony hitondra iray na roa amin’io taratasy io any amin’ny fivoriambe ny mpitory. Azonao omena ny mpitan-tsoratry ny fiangonana ilay izy rehefa feno.—Jereo Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana Febroary 2005, p. 6.