Manontany Anaran’olona Te Hianatra Baiboly ve Ianao?
Manana fampianarana Baiboly vaovao ve ianao? Nahoana raha anontaniana izy sao misy namany na havany na olom-pantany te hianatra Baiboly koa? Matetika izy no hanome anaran’olona maromaro. Mierà aminy mba ho afaka hilaza ny anarany ianao, rehefa mitsidika an’ireo olona natorony, mba hampianatra Baiboly azy ireo. Afaka milaza ianao, ohatra, hoe: “Mahafinaritra an’i [anaran’ilay mpianatra] ny mianatra Baiboly, ary nieritreritra izy fa mety ho tianao koa ny handray soa avy amin’ny fampianarana Baiboly maimaim-poana ataonay.” Asehoy azy vetivety, avy eo, ny fomba anaovana ilay fianarana, ka ny boky Ampianarina ampiasaina.
Azonao ampirisihina koa ireo mpianatra Baiboly efa mandroso tsara, hiresaka momba ny fianarany amin’ny namany sy ny havany mety haniry hianatra. Mety ho azony asaina hanatrika ny fianarany izy ireny. Raha tsy mety izany, dia ho azony atao izay hihaonan’izy ireny aminao, mba hanazavanao ny fanaovana ilay fianarana. Handrisika an’ilay mpianatra hanomboka hiresaka amin’ny hafa momba ny fahalalana azony avy ao amin’ny Baiboly izany.
Mety hanoro anao olon-kafa te hianatra Baiboly koa ireo olona tsidihinao tsy tapaka, na dia mbola tsy mianatra aza. Afaka manontany azy toy izao ianao, rehefa manolotra ny boky Ampianarina: “Mahafantatra olon-kafa te hanana an’ity boky ity koa ve ianao?”
Efa tena akaiky ny farany, ka te hampiasa ny fomba rehetra isika, mba hanampiana ny olona hihaino sy hanaiky ny vaovao tsara. Manontany ny anaran’ireo olona te hianatra Baiboly àry ve ianao?