Fampandrenesana
◼ Desambra: Ilay Lehilahy Niavaka Indrindra Teto An-tany. Azo atolotra koa Ny Bokiko Misy Fitantarana avy ao Amin’ny Baiboly. Janoary: Ny Fanambarana—Akaiky ny Fiafarany Malaza! Ny bokikely Miambena Hatrany! atolotra, raha tsy raisina ilay boky. Febroary: Manatòna An’i Jehovah. Martsa: Ilay boky vaovao hoe Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly? Miezaha hanomboka fampianarana Baiboly.
◼ Halefa tsy ho ela any amin’ny fiangonana ny fanasana amin’ny Fahatsiarovana 2006.
◼ Amin’ny alatsinainy 2 Aprily, aorian’ny filentehan’ny masoandro, ny Fahatsiarovana amin’ny taona 2007. Omena mialoha ity filazana ity, mba hahafahan’ireo rahalahy hamandrika toerana hafa, raha maromaro no mampiasa ny Efitrano Fanjakana, ka voatery hitady toerana hafa ny fiangonana sasany. Tokony hifanaraka amin’ny mpikarakara an’ilay toerana ireo anti-panahy mba ho azo antoka, fa tsy hisy zavatra hafa hanabataba na hanelingelina ny fizotran’ny fankalazana ny Fahatsiarovana.
◼ Fotoan-dehibe ny Fahatsiarovana, ka tokony hifantina rahalahy mahay hanao ilay lahateny ireo anti-panahy, fa tsy hifandimby fotsiny, na hanendry rahalahy mitovy foana isan-taona.
◼ Boky sy taratasy mivalona vaovao:
Hifarana Tsy ho Ela ny Fijaliana Rehetra! (Tract No. 27) —anglisy, frantsay, malagasy
Vavolombelon’i Jehovah—Mpitory ny Fanjakan’Andriamanitra —malagasy
Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly? —anglisy, frantsay, malagasy