FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • km 11/05 p. 3
  • Fampandrenesana

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Fampandrenesana
  • Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2005
Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2005
km 11/05 p. 3

Fampandrenesana

◼ Novambra: Mianara Amin’ilay Mpampianatra Lehibe. Bokikely Takina na Lalana na ny taratasy mivalona Tianao ve ny Hahafantatra Tsara ny Baiboly?, no atolotra ho an’ireo tsy manan-janaka. Desambra: Ilay Lehilahy Niavaka Indrindra Teto An-tany. Azo atolotra koa Ny Bokiko Misy Fitantarana avy ao Amin’ny Baiboly. Janoary: Ny Fanambarana—Akaiky ny Fiafarany Malaza! Ny bokikely Miambena Hatrany! atolotra, raha tsy raisina ilay boky. Febroary: Manatòna An’i Jehovah.

◼ Ny mpiandraikitra mpitantan-draharaha, na izay tendreny, dia tokony hanamarina ny kaontin’ny fiangonana amin’ny 1 Desambra, na haingana araka izay azo atao aorian’io. Rehefa vita ilay izy, dia asio fampandrenesana ho an’ny fiangonana, miaraka amin’ilay tatitra momba ny kaonty manaraka.

◼ Tokony hatao amin’ny anaran’ny “Vavolombelon’i Jehovah” ny seky arotsaka ao amin’ny boaty ao amin’ny Efitrano Fanjakana, na any amin’ny fivoriambe, raha atao fanomezana ho an’ny asa maneran-tany sy ny Tahirim-bola ho An’ny Efitrano Fanjakana.

◼ Tokony hanomboka hanafatra ny Kalandrien’ny Vavolombelon’i Jehovah 2006, sy ny Fandinihana ny Soratra Masina Isan’andro—2006 (misy amin’ny soratra lehibe koa), ny fiangonana. Tokony hampiarahiny amin’ny fanafarany boky manaraka izany. Misy amin’ny teny anglisy sy frantsay ary malagasy ireo.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara