Aoka Ianao Hiahy ny Olona ka ho Tsara Fanahy
1 Hoy ny vehivavy iray nitsara an-tendrony ny Vavolombelon’i Jehovah, rehefa nahatsiaro ny fotoana voalohany nihaonany tamin’ny anabavy iray: “Tsy tadidiko tsara izay noresahinay, fa izao no tadidiko: Tsara fanahy be tamiko izy, sady tena sariaka sy nanetry tena. Nambabo ahy tanteraka ny toetrany.” Hita avy amin’ny tenin’io vehivavy io fa tena mila asehontsika amin’ny olona itoriantsika hoe mihevitra izay hahasoa azy ireo isika.—Fil. 2:4.
2 Tsara fanahy ny fitiavana: Tokony ho tsara fanahy amin’ny olona isika. Izany no fomba iray ampisehoantsika ny fitiavantsika azy ireny. (1 Kor. 13:4) Mihevitra izay hahasoa ny hafa ny olona tsara fanahy, ka mitady fomba hanampiana azy. Marina fa efa fanehoana hatsaram-panahy ny asa fitoriana, kanefa tsy ny fitoriantsika amin’ny olona ihany no hahitana fa tena miahy azy isika. Ho hita amin’ny fomba itondrantsika azy koa izany. Anisan’izany ny fomba fihainoantsika, ny zavatra lazaintsika sy ny fomba ilazantsika azy, ary na dia ny toetran’ny endritsika mihitsy aza. Ho hita koa izany rehefa sariaka aminy isika, ary mahalala fomba.—Matio 8:2, 3.
3 Ho vonona hanao zavatra ho an’ny olona koa isika, raha tia sy miahy azy. Indray mandeha, ohatra, dia noroahin’ny vehivavy zokiolona iray avy hatrany ny rahalahy mpisava lalana iray saika hitory taminy, rehefa fantany fa Vavolombelona. Nilaza ilay vehivavy fa teo am-panoloana ny jiro tao an-dakoziany izy rehefa nandondòna ilay rahalahy, ary efa teo ambony tohatra mihitsy. Hoy ilay rahalahy taminy: “Tsy aleo ve ampiako ianao, sao ahitan-doza izany?” Nampandrosoin’ilay vehivavy àry izy. Nosoloany ilay jiro, ary lasa izy avy eo. Rehefa nitsidika an’ilay vehivavy ny zanany lahy, tsy ela taorian’izay, dia nitantarany izay nitranga. Gaga be ilay zanany, ka nitady an’ilay rahalahy mba hisaotra azy. Nahafinaritra ny resak’izy ireo, ary nanaiky hianatra Baiboly izy io.
4 Manahaka ny fitiavan’i Jehovah ny olona, sy mampamirapiratra ny hafatra momba ilay Fanjakana isika, rehefa tsara fanahy. Aoka àry isika ‘hampiseho ny tenantsika ho mpanompon’Andriamanitra’ foana, ka haneho “hatsaram-panahy.”—2 Kor. 6:4, 6.