FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • km 8/05 p. 7
  • Fampandrenesana

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Fampandrenesana
  • Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2005
Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2005
km 8/05 p. 7

Fampandrenesana

◼ Aogositra: Ireto bokikely 32 pejy ireto no atolotra: Fiainana Mahafa-po—Ahoana no Hahitana Izany?, “Indro, Havaoziko ny Zavatra Rehetra”, Inona no Mitranga Amintsika Rehefa Maty Isika?, Inona no Zava-kendren’ny Fiainana? Ahoana no Mety Hahitanao Azy Io?, Mifalia Amin’ny Fiainana eto An-tany Mandrakizay!, Ny Anaran’Andriamanitra Izay Haharitra Mandrakizay, Ny Fanahin’ireo Maty—Afaka Manampy Anao ve Izy Ireo sa Afaka Manisy Ratsy Anao? Tena Misy Tokoa ve Izy Ireo?, Ny Fitondram-panjakana Izay Hitondra ny Paradisa, Rehefa Nodimandry ny Olona Iray Tianao, Tena Miahy Antsika ve Andriamanitra?, Tokony Hino ny Trinite ve Ianao? Septambra: Manontany ny Tanora na Fahasambaram-pianakaviana. Raha tsy raisina ilay boky dia atolory ny bokikely Miambena Hatrany! Oktobra: Atolory miaraka Ny Tilikambo Fiambenana sy Mifohaza! Mametraha bokikely Takina, raha liana ilay olona. Novambra: Mianara Amin’ilay Mpampianatra Lehibe. Bokikely Takina na Lalan’ny Fiainana na ny taratasy mivalona Tianao ve ny Hahafantatra Tsara ny Baiboly?, no atolotra ho an’ireo tsy manan-janaka.

◼ Manomboka amin’ny Septambra dia hanao ilay lahateny ho an’ny besinimaro hoe “Nahoana Isika no Tokony Hanaraka ny Tari-dalan’ny Baiboly?”, ny mpiandraikitra ny faritra.

◼ Tokony hojeren’ny mpitan-tsoratra raha ananany daholo ny Taratasy Fanendrena Mpisava Lalana (S-202) momba ny mpisava lalana maharitra tsirairay ao amin’ny fiangonany. Raha tsy ao ny an’ny mpisava lalana sasany, dia manorata atỳ amin’ny biraon’ny sampana.

◼ Misy faran’ny herinandro dimy amin’ny Oktobra, ka tena tsara hanaovana ny asan’ny mpisava lalana mpanampy.

◼ Tahirizo tsara ny pejy 5 sy 6 amin’ity Fanompoantsika Ilay Fanjakana ity, fa ilaina aloha sy aorian’ny fivoriamben’ny faritra sy ny fivoriambe manokana amin’ny taom-panompoana 2006.

◼ Ny mpiandraikitra mpitantan-draharaha, na izay tendreny, dia tokony hanamarina ny kaontin’ny fiangonana amin’ny 1 Septambra, na haingana araka izay azo atao aorian’io. Rehefa vita ilay izy, dia asio fampandrenesana ho an’ny fiangonana, miaraka amin’ilay tatitra momba ny kaonty manaraka.

◼ Fampahatsiahivana: Rehefa manoratra taratasinao manokana ianao, dia aza mampiasa mihitsy ny adiresin’ny biraon’ny sampana, ka mametraka izany eo amin’ny adiresin’ny mpandefa. Tsy tokony hampiasaina mihitsy izy io, na dia rehefa mitory an-taratasy, sy mandefa zavatra hovakin’olona liana sy tsy tratra an-trano ary mipetraka amin’ny toerana sarotra aleha aza. Tsara raha ny adiresiny ihany no ampiasain’ny mpitory, satria anisan’ny fanompoany an’Andriamanitra izany. (Matio 28:19, 20; Rom. 10:14, 15) Raha heveriny anefa fa tsy fahendrena ny manome ny adiresiny manokana, dia azony atao ny manome ny adiresin’ny Efitrano Fanjakana miaraka amin’ny anarany.—Jereo ny Valin’ny Fanontanianareo, Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana Mey 2002.

◼ Tokony hatao amin’ny 31 Aogositra 2005, na aoriana kelin’izay, ny fanisana isan-taona ny boky sy gazety rehetra eo am-pelatanana. Fanisana toy ny ataon’ny mpandrindra ny boky isam-bolana izy io, ary tokony hampidirina ao amin’ny taratasy Filazana ny Isan’ny Boky sy Gazety (S-18). Tokony hangatahina amin’ny mpikarakara ny gazety ny tontalin’ny gazety eo am-pelatanana. Tokony hanara-maso ilay fanisana ny mpitan-tsoratry ny fiangonana mpandrindra. Hanao sonia ilay taratasy izy sy ny mpiandraikitra mpitantan-draharahan’ny fiangonana mpandrindra. Haharay taratasy Filazana ny Isan’ny Boky sy Gazety (S-18) telo avy ny fiangonana mpandrindra tsirairay. Fenoy aloha ny iray. Adikao madio ao amin’ireo taratasy roa ambiny izy io avy eo, ka ny iray alefaso atỳ amin’ny biraon’ny sampana, fara fahatarany, ny 6 Septambra. Tahirizo ao amin’ny antontan-taratasin’ny fiangonana kosa ilay iray hafa. Azo rovitina ilay fahatelo.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara