FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • km 7/05 p. 7
  • Valin’ny Fanontanianareo

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Valin’ny Fanontanianareo
  • Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2005
Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2005
km 7/05 p. 7

Valin’ny Fanontanianareo

◼ Inona no hanampy antsika tsy hanavakavaka?

Endriny an-kolaka isehoan’ny toe-tsain’ity tontolo ity ny fireharehana ny amin’ny foko sy ny firazanana. Mahatonga ny hafa hanana ilay hevi-diso hoe misy firazanana ambony noho ny hafa, ny resaka ataon’ny sasany. Mandrisika ny olona hihevitra ny tany niaviany ho ambony noho ny hafa koa ny fanindrahindram-pirenena. Raha ny marina, dia maro no mijaly tsy fidiny satria tia tena ny sasany sady mitsara an-tendrony azy ireo. Tsy voahaja koa ny zo maha olombelona azy ireo, ary tsy mahazo izay ilainy izy. Miteraka hatezerana sy herisetra mihitsy aza izany. Mety hanomboka hanavakavaka koa isika raha tsy mitandrina, ka ho tia kokoa ny olona avy amin’ny foko na firazanana sasany, nefa hanambany ny hafa.—Jaona 15:19.

Mety hanimba ny toe-tsain’ny fiangonana ny resaka foko na firazanana. (Ampitahao amin’ny Asan’ny Apostoly 6:1-7.) Hanana toe-tsaina tsara anefa isika raha manaraka ilay torohevitra hoe: “Raha azo atao, ka mbola miankina aminareo koa, dia mihavàna amin’ny olona rehetra.”—Rom. 12:18.

Ahoana no mety hisehoan’ny fanavakavahana eo amin’ny Kristianina? Mety hisy, ohatra, ray aman-dreny tsy hamela ny zanany hanambady olona iray, noho ny resaka firazanana fotsiny. Hanaratsy olona avy any amin’ny faritra hafa koa angamba ny sasany. Mampalahelo fa misy mihitsy aza mandà tsy hankatò ny lalàn’i Jehovah. Mieritreritra mantsy izy fa natao ho an’ny foko iray ihany ilay lalàna, na mihevitra fa Kristianina avy amin’ny foko hafa no nanao ilay lalàna fa tsy i Jehovah.

Avy tamin’ny mpivady iray ihany anefa ny firazanana rehetra. Andriamanitra koa tsy mizaha tavan’olona. Tsy tokony hisy fanavakavahana foko na firazanana àry eo anivon’ny fiangonana kristianina. (Jereo ny boky Voalamina, pejy 164-165.)—Asa. 10:34, 35; 17:26; Rom. 10:12; Efes. 4:1-3.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara