FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • km 6/05 p. 7
  • Famerenana Amin’ny Sekolin’ny Fanompoana

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Famerenana Amin’ny Sekolin’ny Fanompoana
  • Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2005
Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2005
km 6/05 p. 7

Famerenana Amin’ny Sekolin’ny Fanompoana

Hodinihina am-bava amin’ny Sekolin’ny Fanompoana ireto fanontaniana ireto, ny herinandron’ny 27 Jona 2005. Hanao famerenana maharitra antsasak’adiny ny mpiandraikitra ny sekoly. Miorina amin’ny fanazavana tao amin’ireo anjara nanomboka ny herinandron’ny 2 Mey ka hatramin’ny 27 Jona 2005 izy io. [Fanamarihana: Mila manao fikarohana ianao mba hahitana ny valiny, raha tsy misy loharanon-kevitra eo aorian’ilay fanontaniana.—Jereo ny Sekolin’ny Fanompoana, p. 36, 37.]

ZAVATRA TANDREMANA

1. Nahoana no tena mandaitra ny fampiasana fampitahana sy fampitoviana, rehefa mampianatra? (Gen. 22:17; Sal. 1:3; Jak. 3:6) [be p. 240 feh. 2-4, efajoro]

2. Aiza no hahitantsika ohatra andraisana fianarana tena mahasoa, nefa inona no tokony hotandremana rehefa manao izany? [be p. 242 feh. 1-2]

3. Inona no tokony hotadidintsika rehefa mifidy fanoharana tena mandaitra? [be p. 244 feh. 1-2]

4. Nahoana isika no tokony hampiasa zavatra hita maso rehefa mampianatra, ary ahoana no nanaovan’i Jehovah an’izany? [be p. 247 feh. 1-2, efajoro]

5. Ahoana no ampiasantsika zavatra hita maso rehefa manompo eny amin’ny saha? [be p. 248 feh. 1–p. 249 feh. 2]

ANJARA No. 1

6. Inona no tari-dalana omen’ny Tenin’Andriamanitra momba ny fanabeazana ny ankizy? [w 15/3/03 p. 12 feh. 2; p. 14 feh. 4]

7. Ahoana no nanehoan’i Jehovah fiheverana an’i Davida tanora, ary ahoana no nampisehoan’i Davida fa tiany i Jehovah? [w 15/4/03 p. 29 feh. 3; p. 30 feh. 3]

8. Nahoana no nankasitrahan’i Jehovah ny fanatitr’i Abela, ary inona no toky ananantsika noho izany? (Gen. 4:4) [w 1/5/03 p. 28 feh. 4–p. 29 feh. 1]

9. Inona no “famaizan’i Jehovah” ampirisihan’ny Ohabolana 3:11 mba tsy hohamavointsika? [w 1/10/03 p. 20 feh. 2-4]

10. Inona no dikan’ny hoe ‘mahay mianina’, resahin’ny 1 Timoty 6:6-8? [w 1/6/03 p. 9 feh. 1-2; p. 10 feh. 1]

FAMAKIANA BAIBOLY ISAN-KERINANDRO

11. Mifanitsy amin’ny inona ny fifankatiavan’i Jonatana sy Davida? (2 Sam. 1:26) [w 1/4/89 p. 26 feh. 13]

12. Inona no ianarantsika avy amin’ny ezaka voalohany nataon’i Davida, mba hitondrana ny fiaran’ny fifanekena ho any Jerosalema? (2 Sam. 6:2-9)

13. Nahoana no maty ny zanak’i Davida sy Batseba, taorian’ny nanotan’izy ireo, nefa milaza ny Deoteronomia 24:16 sy ny Ezekiela 18:20, fa tsy hatao maty noho ny fahotan’ny rainy ny zanaka? (2 Sam. 12:14; 22:31)

14. Ahoana no ahafantarantsika fa nandainga i Ziba rehefa niresaka momba an’i Mefiboseta? (2 Sam. 16:1-4)

15. Nahoana no azontsika tahafina ny fihetsik’i Mefiboseta tamin’izay nataon’i Ziba taminy? (2 Sam. 19:25-31)

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara