FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • km 5/05 p. 7
  • Fampandrenesana

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Fampandrenesana
  • Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2005
Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2005
km 5/05 p. 7

Fampandrenesana

◼ Mey: 1) Miezaha hametraka ny boky Fahalalana rehetra ao amin’ny tahirin’ny fiangonana. 2) Atolory miaraka Ny Tilikambo Fiambenana sy Mifohaza! Rehefa miverina mitsidika ny olona liana ianao, dia tsidiho ireo nanatrika Fahatsiarovana sy fivoriana hafa, nefa mbola tsy tena miaraka amin’ny fiangonana. Miezaha hametraka ny boky Mivavaha sy hanomboka fampianarana Baiboly amin’izy io. Jona: Mianara Amin’ilay Mpampianatra Lehibe. Boky Fahasambaram-pianakaviana na Fahalalana no atolotra ho an’ireo tsy manan-janaka. Jolay sy Aogositra: Ireto bokikely 32 pejy ireto: Fiainana Mahafa-po—Ahoana no Hahitana Izany?, “Indro, Havaoziko ny Zavatra Rehetra”, Inona no Mitranga Amintsika Rehefa Maty Isika?, Inona no Zava-kendren’ny Fiainana? Ahoana no Mety Hahitanao Azy Io?, Mifalia Amin’ny Fiainana eto An-tany Mandrakizay!, Ny Anaran’Andriamanitra Izay Haharitra Mandrakizay, Ny Fanahin’ireo Maty—Afaka Manampy Anao ve Izy Ireo sa Afaka Manisy Ratsy Anao? Tena Misy Tokoa ve Izy Ireo?, Ny Fitondram-panjakana Izay Hitondra ny Paradisa, Rehefa Nodimandry ny Olona Iray Tianao, Tena Miahy Antsika ve Andriamanitra?, Tokony Hino ny Trinite ve Ianao?

◼ Ny mpiandraikitra mpitantan-draharaha, na izay tendreny, dia tokony hanamarina ny kaontin’ny fiangonana amin’ny 1 Jona, na haingana araka izay azo atao aorian’io. Rehefa vita ilay izy, dia ataovy fampandrenesana miaraka amin’ny tatitra momba ny kaonty manaraka.

◼ Hikatona ny Betela amin’ny asabotsy 14 Mey 2005 noho ny fanadiovana fanao isan-taona. Tsy hisy fitsidihana, na fakana boky sy gazety amin’io andro io.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara