FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • km 12/04 p. 7
  • Fampandrenesana

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Fampandrenesana
  • Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2004
Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2004
km 12/04 p. 7

Fampandrenesana

Zavatra atolotra amin’ny Desambra: Ilay Lehilahy Niavaka Indrindra Teto An-tany. Azo atolotra koa Ny Baiboly—Tenin’Andriamanitra sa Tenin’olona?, Ny Bokiko Misy Fitantarana avy ao Amin’ny Baiboly, ary Ny Tsiambaratelon’ny Fahasambaram-pianakaviana. Janoary: Ny Faminanian’i Isaia—Fahazavana ho An’ny Olombelona Rehetra, Boky I na II, na Ny Fanambarana—Akaiky ny Fiafarany Malaza! Febroary: Manatòna An’i Jehovah. Martsa: Miambena Hatrany! Manolora ny boky Mivavaha Amin’ilay Hany Andriamanitra Marina raha tena liana ilay olona, ary miezaha hanomboka fampianarana Baiboly.

◼ Natao hanampiana ny olona hifandray tsara kokoa amin’ny dokoterany, ireo andian-dahatsoratra ao amin’ny Mifohaza! 8 Febroary 2005. Tsy isalasalana anefa fa hahaliana ny dokotera koa ireo lahatsoratra ireo, satria manazava ny antony nahatonga ny mpitsabo sasany ho liana tamin’ny fanantenana omen’ny Baiboly. Handefasana gazety fanampiny ny fiangonana rehetra. Ampirisihinay ny rehetra mba hiezaka hanome io gazety io ho an’ny dokoterany sy ny mpitsabo hafa. Tokony hampahafantatra ny sampana ireo fiangonana, raha tokony hampiana ny isan’ny gazety ilainy amin’io nomerao io.

◼ Halefa tsy ho ela any amin’ny fiangonana ny fanasana amin’ny Fahatsiarovana 2005.

◼ Amin’ny alarobia 12 Aprily, aorian’ny filentehan’ny masoandro, ny Fahatsiarovana amin’ny taona 2006. Omena mialoha ity filazana ity, mba hahafahan’ireo rahalahy hamandrika toerana hafa, raha maromaro no mampiasa ny Efitrano Fanjakana, ka voatery hitady toerana hafa ny fiangonana sasany. Tokony hifanaraka amin’ny mpikarakara ilay toerana ireo anti-panahy, mba ho azo antoka fa tsy hisy zavatra hafa hanabataba na hanelingelina ny fizotran’ny fankalazana ny Fahatsiarovana.

◼ Fotoan-dehibe ny Fahatsiarovana, ka tokony hifantina rahalahy mahay hanao ilay lahateny ireo anti-panahy, fa tsy hifandimby fotsiny, na hanendry rahalahy mitovy foana isan-taona.

◼ Tokony hisy filazana hatao ho an’ny fiangonana, rehefa misy mpisava lalana maharitra mitsahatra amin’ny asan’ny mpisava lalana. Mety ho toy izao fotsiny ilay filazana fohy: “Ilazana ny fiangonana fa tsy mpisava lalana maharitra intsony [Ranona].”

◼ Manomboka amin’ny herinandron’ny 27 Jona 2005, dia hianatra ny boky Diniho ny Faminanian’i Daniela! isika, any amin’ny Fianarana Boky.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara