Fampandrenesana
◼ Zavatra atolotra amin’ny Oktobra: Ny Tilikambo Fiambenana sy Mifohaza! Manolora bokikely Takina raha liana ilay olona. Novambra: Mianara Amin’ilay Mpampianatra Lehibe. Bokikely Takina na Lalan’ny Fiainana no atolotra ho an’ireo tsy manan-janaka. Desambra: Ilay Lehilahy Niavaka Indrindra Teto An-tany. Azo atolotra koa Ny Baiboly—Tenin’Andriamanitra sa Tenin’olona?, Ny Bokiko Misy Fitantarana avy ao Amin’ny Baiboly, ary Ny Tsiambaratelon’ny Fahasambaram-pianakaviana. Janoary: Ny Faminanian’i Isaia—Fahazavana ho An’ny Olombelona Rehetra, Boky I na II, na Ny Fanambarana—Akaiky ny Fiafarany Malaza!
◼ Tokony hanomboka hanafatra ny Kalandrien’ny Vavolombelon’i Jehovah 2005, Fandinihana ny Soratra Masina Isan’andro—2005 (misy amin’ny sora-baventy koa), ary ny Diarin’ny Vavolombelon’i Jehovah 2005 ireo fiangonana. Tokony hampiarahiny amin’ny fanafarany boky manaraka izany. Hisy amin’ny teny anglisy sy frantsay ary malagasy ireo rehetra ireo.