FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • km 10/04 p. 3
  • Famerenana Amin’ny Sekolin’ny Fanompoana

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Famerenana Amin’ny Sekolin’ny Fanompoana
  • Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2004
Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2004
km 10/04 p. 3

Famerenana Amin’ny Sekolin’ny Fanompoana

Hodinihina am-bava amin’ny Sekolin’ny Fanompoana ireto fanontaniana ireto, ny herinandron’ny 25 Oktobra 2004. Hanao famerenana maharitra antsasak’adiny ny mpiandraikitra ny sekoly. Miorina amin’ny fanazavana tao amin’ireo anjara nanomboka ny herinandron’ny 6 Septambra ka hatramin’ny 25 Oktobra 2004 izy io. [Fanamarihana: Mila manao fikarohana ianao mba hahitana ny valiny, raha tsy misy loharanon-kevitra eo aorian’ilay fanontaniana.—Jereo ny Sekolin’ny Fanompoana, p. 36, 37.]

ZAVATRA TANDREMANA

1. Nahoana no tokony hampahery foana ny fomba fitenintsika, rehefa manao lahateny momba ny asa kristianina isika? [be p. 203, feh. 3-4]

2. Inona no atao hoe famerimberenana, ary nahoana izy io no tena ilaina? [be p. 206, feh. 1-4]

3. Ahoana no hanamafisana ny foto-kevitry ny lahateny na ny anjarantsika? [be p. 210, feh. 1-5, efajoro]

4. Ahoana no ahafantarantsika ny hevi-dehibe amin’ny lahateny na anjara asaina ataontsika? [be p. 212, feh. 1-4]

5. Nahoana isika no tokony hitandrina mba tsy ho maro loatra ny hevi-dehibe? [be p. 213, feh. 3-5]

ANJARA No. 1

6. Inona avy ireo fandrosoana nisy talohan’ny Safodrano, hany ka sarotra tamin’ny olona ny hino fa ho rava ny zava-drehetra nanodidina azy? [w 1/3/02 p. 5-6]

7. Nahoana no tsara homarihina fa tsy niantso an’i Jesosy hoe “Mpanasitrana” ny mpiara-belona taminy, fa hoe “Mpampianatra”? (Lioka 3:12; 7:40) [w 1/5/02 p. 4, feh. 3; p. 6, feh. 5]

8. Ahoana no anasongadinan’ny Ohabolana 11:24, 25 fa ilaina ny mandray anjara amin’ny fomba feno amin’ny fanompoana? [w 15/7/02 p. 30, feh. 3-5]

9. Inona no raharaha lehibe napoitran’ilay fikomiana tany Edena, ary inona no vokatr’izany? (Gen. 3:1-6) [w 1/10/02 p. 5, feh. 6; p. 6, feh. 2-3]

10. Ahoana no amantarana ny datin’ny namerenana tamin’ny laoniny ny fivavahana marina tany Jerosalema? [si p. 285, feh. 5]

FAMAKIANA BAIBOLY ISAN-KERINANDRO

11. Nilaza tamin’i Balama i Jehovah mba hiaraka tamin’ny olon’i Balaka. Koa nahoana àry izy no tezitra taminy rehefa niaraka tamin’izy ireo izy? (Nom. 22:20-22)

12. Afaka manafoana ny voady nataon’ny vehivavy kristianina ve ny vadiny? (Nom. 30:7-9)

13. Inona ankehitriny no mifanitsy amin’ireo “tanàna fandosirana”? (Nom. 35:6) [w 15/11/95 p. 17, feh. 8]

14. Tokony horaisina ara-bakiteny ve ilay didy ao amin’ny Deoteronomia 6:6-9, momba ny ‘hamehezana eo amin’ny tanana sy eo amin’ny handrina ny lalàn’Andriamanitra mba ho fehy fampahatsiarovana’?

15. Nahoana no tsy rovitra ny fitafian’ireo Israelita, ary tsy nivonto ny tongony nandritra ny dia tany an’efitra? (Deot. 8:4)

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara