Fampandrenesana
◼ Zavatra atolotra amin’ny Septambra: Manontany ny Tanora—Valiny Mandaitra. Azo atolotra koa ny boky Ny Tsiambaratelon’ny Fahasambaram-pianakaviana. Oktobra: Ny Tilikambo Fiambenana sy Mifohaza! Manolora bokikely Takina raha liana ilay olona, ary tsidiho izy ka miezaha hanomboka fampianarana Baiboly. Novambra: Mianara Amin’ilay Mpampianatra Lehibe. Bokikely Takina na Lalan’ny Fiainana no atolotra ho an’ireo tsy manan-janaka. Ataovy izay hanombohana fampianarana Baiboly amin’ireo bokikely ireo. Desambra: Ilay Lehilahy Niavaka Indrindra Teto An-tany. Azo atolotra koa Ny Baiboly—Tenin’Andriamanitra sa Tenin’olona?, Ny Bokiko Misy Fitantarana avy ao Amin’ny Baiboly, ary Ny Tsiambaratelon’ny Fahasambaram-pianakaviana.
◼ Hodinihina mandritra ny Fivoriana Momba ny Fanompoana amin’ny Desambra, ny fanazavana ao amin’ilay video hoe Vitan’ny Mpitsabo ny Tsy Mampiasa Ra. Izay mila io kasety video io, dia tokony hanafatra izany, haingana araka izay azo atao, amin’ny alalan’ny fiangonana.
◼ Hatao ny alahady 10 Aprily ny lahateny manokana amin’ny vanim-potoan’ny Fahatsiarovana taona 2005. Holazaina any aoriana kely ny lohateniny. Hanao ilay lahateny manokana ny herinandro manaraka an’io, ireo fiangonana tsidihin’ny mpiandraikitra ny faritra na hanatrika fivoriambe, amin’io faran’ny herinandro io. Tsy tokony hatao alohan’ny 10 Aprily 2005 io lahateny manokana io.
◼ Ampahatsiahivina ireo anti-panahy mba hanaraka ireo toromarika ao amin’ny Tilikambo Fiambenana 15 Jolay 1991, pejy 21-23, momba ireo olona voaroaka na niala an-tsitrapo izay mety haniry horaisina indray.
◼ Azo atao ny manolotra bokikely Takina na Lalan’ny Fiainana, rehefa mitory eny ambanivohitra. Afaka manolotra boky na gazety ianao, raha efa manana an’ireo ilay olona. Tokony hitondra taratasy mivalona isan-karazany ny rehetra, ho an’ireo tsy tratra an-trano na ireo tsy nandray boky na gazety. Tokony hisy ezaka hatao mba hanampiana ny olona liana.
◼ Tena ilain’ny biraon’ny sampana ny adiresy sy ny nomerao telefaonina faran’ny mpiandraikitra mpitantan-draharaha sy ny mpitan-tsoratra rehetra. Raha misy fiovana, dia tokony hofenoin’ny Komitin’ny Fanompoan’ny Fiangonana sy hasiany sonia ary halefany haingana atỳ amin’ny biraon’ny sampana ny taratasy Fiovana Adiresin’ny Mpiandraikitra Mpitantan-draharaha/Mpitan-tsoratra (S-29).
◼ Misy faran’ny herinandro dimy amin’ny Oktobra, ka tena tsara hanaovana ny asan’ny mpisava lalana mpanampy io volana io.
◼ Kasety vaovao:
Rehefa Nodimandry ny Olona Iray Tianao (kasety iray) —malagasy
◼ Kasety video vaovao:
Ohatra Fampitandremana ho An’ny Androntsika—Kasety Video —malagasy