Fampandrenesana
◼ Zavatra atolotra amin’ny Aogositra: Iray amin’ireto bokikely 32 pejy ireto: Afaka ny ho Sakaizan’Andriamanitra Ianao!, Boky Iray ho An’ny Olona Rehetra, “Indro, Havaoziko ny Zavatra Rehetra”, Inona no Mitranga Amintsika Rehefa Maty Isika?, Inona no Zava-kendren’ny Fiainana? Ahoana no Mety Hahitanao Azy Io?, Ny Fanahin’ireo Maty—Afaka Manampy Anao ve Izy Ireo sa Afaka Manisy Ratsy Anao? Tena Misy Tokoa ve Izy Ireo?, Ny Fitondram-panjakana Izay Hitondra ny Paradisa, Ny Vavolombelon’i Jehovah—Iza moa Izy Ireo? Inona no Inoany?, Rehefa Nodimandry ny Olona Iray Tianao, Tena Miahy Antsika ve Andriamanitra?, Tokony Hino ny Trinite ve Ianao? Septambra: Manontany ny Tanora—Valiny Mandaitra. Azo atolotra koa ny boky Ny Tsiambaratelon’ny Fahasambaram-pianakaviana.
◼ Ny mpiandraikitra mpitantan-draharaha, na izay tendreny, dia tokony hanamarina ny kaontin’ny fiangonana amin’ny 1 Septambra, na haingana araka izay azo atao aorian’izay. Rehefa vita ilay izy, dia anaovy fampandrenesana ho an’ny fiangonana, rehefa avy novakina ny tatitra momba ny kaonty manaraka.
◼ Tokony hatao amin’ny 31 Aogositra 2004, na aoriana kelin’izay, ny fanisana isan-taona ny boky sy gazety rehetra eo am-pelatanana. Fanisana toy ny ataon’ny mpandrindra ny boky isam-bolana izy io, ary tokony hampidirina ao amin’ny taratasy Filazana ny Isan’ny Boky sy Gazety (S-18). Tokony hangatahina amin’ny mpikarakara ny gazety ny tontalin’ny gazety eo am-pelatanana. Tokony hanara-maso ilay fanisana ny mpitan-tsoratry ny fiangonana mpandrindra. Hanao sonia ilay taratasy izy sy ny mpiandraikitra mpitantan-draharahan’ny fiangonana mpandrindra. Haharay taratasy Filazana ny Isan’ny Boky sy Gazety (S-18) telo avy ny fiangonana mpandrindra tsirairay. Fenoy aloha ny iray. Adikao madio ao amin’ireo taratasy roa ambiny izy io avy eo, ka ny iray alefaso atỳ amin’ny biraon’ny sampana, fara fahatarany, ny 6 Septambra. Tahirizo ao amin’ny antontan-taratasin’ny fiangonana kosa ilay iray hafa. Azo rovitina ilay fahatelo.
◼ Hanisa ny boky rehetra eo am-pelatanany ny Betela, amin’ny 27 sy 28 Aogositra 2004. Tsy afaka mikarakara ny fanafarana boky sy gazetin’ny fiangonana àry izahay amin’ireo andro ireo.
◼ Tokony hampiseho fahamendrehana, mifanentana amin’ny mpanompon’i Jehovah Andriamanitra foana ny fomba fitafintsika sy ny taovolontsika. Izany indrindra no izy rehefa mitsidika ny Betela sy ny biraon’ny sampana hafa isika. Ny boky Voalamina mba Hanatanteraka ny Fanompoantsika, dia milaza fa ilaina ny ho madio sy hananana fitafiana sy taovolo maotina, rehefa mitory sy manatrika ireo fivoriana kristianina isika. Izao no voalaza ao amin’ny pejy 131 fehintsoratra 1: “Mihatra koa izany rehefa mitsidika ny Betela isika, na any Brooklyn, na any amin’ny tany hafa rehetra misy sampan’ny [Vavolombelon’i Jehovah]. Aza hadinoina fa ny dikan’ny teny hoe Betela dia ‘Tranon’Andriamanitra.’ Antenaina àry fa raha ny amin’ny taovolo, ny fisehoana ivelany sy ny fitondran-tena, ny fihetsika harahintsika dia ho sahala amin’ny rehefa manatrika ireo fivoriana ho amin’ny fanompoam-pivavahana ao amin’ny Efitrano Fanjakana isika.”
◼ Tokony hanamarina ny mpitan-tsoratra fa feno tsara ireo taratasy fangatahana ho mpisava lalana maharitra, izay vao alefany atỳ amin’ny biraon’ny sampana. Raha tsy mahatadidy ny datin’ny batisany ilay mpanao fangatahana, dia tokony hotombanany izany ka hosoratany mba ho tadidiny. Hosoratan’ny mpitan-tsoratra ao amin’ny Firaketana ny Fanompoan’ny Mpitory ilay daty.