Fampandrenesana
◼ Zavatra atolotra amin’ny Jona: Mianara Amin’ilay Mpampianatra Lehibe. Bokikely Takina no atolotra ho an’ireo tsy manan-janaka. Ataovy izay hanombohana fampianarana Baiboly, rehefa mampiasa ilay bokikely. Jolay sy Aogositra: Iray amin’ireto bokikely 32 pejy ireto: Afaka ny ho Sakaizan’Andriamanitra Ianao!, Boky Iray ho An’ny Olona Rehetra, “Indro, Havaoziko ny Zavatra Rehetra”, Inona no Mitranga Amintsika Rehefa Maty Isika?, Inona no Zava-kendren’ny Fiainana? Ahoana no Mety Hahitanao Azy Io?, Ny Fanahin’ireo Maty—Afaka Manampy Anao ve Izy Ireo sa Afaka Manisy Ratsy Anao? Tena Misy Tokoa ve Izy Ireo?, Ny Fitondram-panjakana Izay Hitondra ny Paradisa, Ny Vavolombelon’i Jehovah—Iza moa Izy Ireo? Inona no Inoany?, Rehefa Nodimandry ny Olona Iray Tianao, Tena Miahy Antsika ve Andriamanitra?, Tokony Hino ny Trinite ve Ianao? Septambra: Manontany ny Tanora—Valiny Mandaitra. Azo atolotra koa ny boky Ny Tsiambaratelon’ny Fahasambaram-pianakaviana.
◼ Tokony hanidy tsara ny varavarankely sy ny varavarambe ary ny vavahadin’ny Efitrano Fanjakana izay olona farany ao, mba hiarovana azy io amin’ny mpangalatra. Tokony hampiantso olon-kafa izy raha tsy mahay manidy azy io, nefa tsy hiala ao, raha tsy efa tonga ilay olona. Tokony hataon’ny anti-panahy lisitra ireo rahalahy rehetra nomena lakile.
◼ Amin’ity taona ity, dia alefanay amin’ny volana Jolay ireo taratasy samihafa ilain’ny fiangonana, ka efa misy eto amin’ny sampana. Hampiarahinay amin’ny fanafaranareo izany. Raha fiangonana mihoatra ny iray no mampiasa ny Efitrano Fanjakana, dia hozarain’ny mpandrindra ny boky avy hatrany ny taratasin’izy ireo avy. Ho hita eo amin’ny taratasy misy ny lisitr’ireo boky nalefanay, ny toromarika momba ny fizarana azy ireo.