Manazava ny Tenin’ny Fahamarinana Amin’ny Fomba Marina Tsara
1 Efa fito volana eo ho eo izao no nampiasantsika ny Soratra Grika Kristianina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao. Mampiasa azy io tsara ve isika? Misy lafiny amin’izy io ve azontsika ampiasaina rehefa mianatra samirery isika na mamaky ny Baiboly, na manao fanompoana eny amin’ny saha?
2 Dikan-teny tsy miovaova: Niezaka hampiasa dikan-teny mitovy foana ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao. Teny malagasy iray foana no nandikana ny teny hebreo iray na teny grika iray. Tsy niovaova ny dikan-teny nampiasaina raha toa ilay izy ka mbola mifanaraka amin’ny fomba fiteny malagasy sy ny hevitr’ilay toko manontolo, ary mazava tsara amin’ny mpamaky.
3 Tsy niova mihitsy, ohatra, ny nandikana ny hoe ‘fanatrehan’i Kristy’ ato amin’ireto andinin-teny ireto: Matio 24:3, 27, 37, 39; 1 Korintianina 15:23; 1 Tesalonianina 2:19; 3:13; 4:15; 5:23; 2 Tesalonianina 2:1, 8; Jakoba 5:7, 8; 2 Petera 1:16; 1 Jaona 2:28. Tsy niova mihitsy koa ny nandikana ny hoe “fanompoana masina” izay miseho in-26 ao amin’ny Soratra Grika.
4 Mariho izay nolazain’i Alexander Thomson, mpivaofy teny hebreo sy grika, momba ny nampiasana dikan-teny mitovy foana ao amin’ny Soratra Grika Kristianina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao, amin’ny teny anglisy. Hoy izy: “Tena hita fa havanana sy kinga saina ny manam-pahaizana nanao an’io fandikan-teny io. Niezaka namoaka ny tena dikan’ny teny grika izy ireo . . . Tanjon’io fandikan-teny io koa ny mampiasa teny iray foana ho an’ny teny grika tsirairay manan-danja. Nataony tanjona koa ny ho ara-bakiteny araka izay azo atao . . . Voadika tsara ny Lioka 23:43 hoe: ‘Lazaiko aminao marina tokoa anio fa hiaraka amiko any amin’ny Paradisa ianao.’ Fanatsarana be mihitsy izany raha ampitahaina amin’ny ankamaroan’ny fandikan-teny hafa.”
5 Notandremana tsara ny fandikana ireo matoanteny: Nitandrina tsara ireo mpandika ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao mba hampita ny hevitry ny matoanteny amin’ny teny grika. Miezaka io fandikan-teny io mba tsy hanova ny hevitry ny teny grika tany am-boalohany, izay tena mahafinaritra sy tsotra ary manohina ny fo. Tena manentana hanao zavatra ny Soratra Masina tany am-boalohany noho ny matoanteny ampiasainy, ary mazava tsara ny fomba anaovana ilay zavatra asainy hatao. Tsy vitan’ny hoe milaza ny fotoana nitrangan’ny zavatra iray fotsiny ny matoanteny grika, fa faritany koa hoe vetivety ve ilay izy, sa vao manomboka, sa mitohy, sa miverimberina, sa efa vita. Voafaritra mazava tsara àry ny hevi-teny, ary voampita tsara ny hevitra fonosin’ireo matoanteny, satria voahaja izany fahasamihafana hita amin’ny matoanteny grika izany. Indraindray, ohatra, dia fanaovan-javatra mitohy no lazain’ny matoanteny grika. Azo an-tsaina tsara, araka izany, ny tiany holazaina, ary lasa mandaitra kokoa ny fananarana sy ny torohevitra. Asehon’ireto tenin’i Jesosy ireto, ohatra, fa nitohy ny tsy finoan’ny Fariseo sy ny Sadoseo: “Mitady famantarana foana ny taranaka ratsy fanahy sy mpanitsakitsa-bady.” Hita amin’ireto tenin’i Jesosy ireto koa fa mila tohizina hatrany ny fanaovana zavatra tsara: “Tiavo foana ny fahavalonareo.” “Katsaho hatrany àry aloha ny fanjakany.” ‘Mangataha hatrany, dia homena ianareo. Dondòny hatrany, dia hovohana ianareo.’—Matio 16:4; 5:44; 6:33; 7:7.
6 Lafiny azo ampiasaina rehefa mianatra samirery: Misy tabilao mitondra ny lohateny hoe “Ireo Boky ao Amin’ny Baiboly” ny Soratra Grika Kristianina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao, amin’ny teny malagasy. Hita ao ny anaran’ny mpanoratra, sy ny toerana nanoratana ilay boky, ary ny fe-potoana voatantara ao anatiny. Misy fanondroana teny sy fanazavana fanampiny ary sarintany koa ao amin’io Baiboly io.
7 Sokafy eo amin’ny pejy 1 291 ange ny Baibolinao e, ary vakio ilay sasin-teny. Hanam-paniriana hahalala tsara ny Tenin’Andriamanitra ianao, rehefa mankasitraka azy io sy ny fanontana nampiasaina handikana ny dika teny malagasy, ary ny fitiavana sy fitandreman’ireo mpandika teny.
8 Tokony ho azonao tsara koa ny antony isian’ireo lohateny kely eny amin’ny tendron’ny pejy tsirairay. Mariho ny voalaza momba izany eo amin’ny pejy 1 292. Azo antoka fa nanampy anao teny amin’ny fanompoana ireny lohateny kely ireny rehefa nitady andininy ianao. Ampirisihinay koa ianao hamantatra ny dikan’ireo fanafohezana ampiasaina amin’ny fanamarihana ambany pejy.
9 Nahoana raha dinihina aloha ilay tabilao hoe “Ireo Boky ao Amin’ny Baiboly” eo amin’ny pejy 1 656 sy 1 657, alohan’ny hamakiana na hianarana boky iray ao amin’ny Baiboly? Fantaro hoe iza no nanoratra azy io, taiza, ary hafiriana vao vita ny fanoratana azy.
10 Fitaovana tsara hoenti-mitady andinin-teny ny fizahan-teny ara-baiboly, izay tsy inona fa lisitra araka ny abidy mitanisa ireo teny ampiasaina ao amin’ny Baiboly sy ny andininy misy azy. Hanampy anao hahita ny andinin-teny mifandray amin’ny foto-kevitra anaovanao fikarohana izy io. Hianatra tsipirian-javatra mahasoa maro ianao, rehefa mandinika ireny andinin-teny ireny, manomboka eo amin’ny pejy 1 658 ka hatramin’ny 1 685. Hahita porofon’ny “modelin’ny” fahamarinana hita ao amin’ny Tenin’Andriamanitra ianao. (2 Tim. 1:13) Misy ‘Fanondroana Teny ao Amin’ny Baiboly’ ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao.
11 Misy Fanazavana Fanampiny koa manomboka eo amin’ny pejy 1 686, ho an’ireo tia mandalina ny Baiboly. Mirakitra fahamarinana lalina ara-baiboly ireo fizarana iraika ambin’ny folo ao anatiny, toy ny fampiasana ny anaran’Andriamanitra ao amin’ny Soratra Grika, sy ny Fanatrehan’i Kristy, ary ny hevitry ny teny hoe Hadesy, Sheola, ary Gehena. Mahasoa koa ny mianatra ny zava-nisongadina tamin’ny fiainan’i Jesosy teto an-tany. Voamarikao angamba fa milahatra araka ny fotoana nisehoany ireo fitantarana ao amin’ny Filazantsara efatra, hita ao amin’izy io. Nahoana raha mianatra fizarana iray amin’io Fanazavana Fanampiny io isam-bolana, mba hahazoana bebe kokoa ny hevitr’ireo teny tany am-boalohany?
12 Hahaliana anao kokoa ny tantara ao amin’ny Baiboly, rehefa hitanao an’eritreritra ny toerana nitrangany. Mampahafantatra ny toetoetran’ilay faritra sy ny elanelan-tany ny sarin’ireo tany voalaza ao amin’ny Baiboly. Nanao ahoana, ohatra, ny haben’ny Tany Nampanantenaina? Tonga hatraiza i Jesosy tamin’izy nanompo tetỳ an-tany? Taiza avy no toerana hitan’i Paoly tamin’izy nanao dia misionera? Manome tsipirian-javatra izay hahatonga ny vakiteninao hahafinaritra, ireo sarintany sy fanazavana ara-jeografia. Aiza no hahitanao sarin’ireo tany voalaza ao amin’ny Baiboly? Misy santionany amin’izany ao amin’ny Soratra Grika Kristianina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao.
13 “Tsara tarehy erỳ ny tongotr’ireo mitory ny vaovao tsara momba ny zava-tsoa!” (Rom. 10:15) Mampahery tokoa ireo teny ireo ka Kristianina maro no marisika hampiely eran-tany ny tenin’ny fahamarinana. Tena manampy antsika hanatontosa an’io asa io ilay “Foto-dresaka Ara-baiboly” manomboka eo amin’ny pejy 1 714.
14 Ireto zavatra roa ireto no mampahomby ny fiverenana mitsidika: Fiahiana amim-pahatsorana an’ilay olona hotsidihina sy foto-kevitra ara-baiboly mahaliana hiaraha-midinika. Azonao ampiasaina avy hatrany ny “Foto-dresaka Ara-baiboly”, satria ao anaty Baiboly. Mora ny maka andinin-teny vitsivitsy ao amin’izy io, alohan’ny hanaovana fiverenana mitsidika.
15 Aoka hatao hoe ilay boky Mivavaha Amin’ilay Hany Andriamanitra Marina no napetrakao, ary ny Jaona 17:3 no noresahinao. Hahita andinin-teny hafa horesahina ianao ao amin’ilay “Foto-dresaka Ara-baiboly”, eo ambanin’ny lohateny hoe “Baiboly”, fizarana B: “Tari-dalana mahasoa antsika ankehitriny”, eo amin’ny pejy 1 715.
16 Mba hanomanana ilay tompon-trano ho amin’ny fitsidihanao manaraka, dia mety hilaza ianao eo am-pamaranana ilay fiara-midinika hoe: “Hitantsika teo fa tena tari-dalana mahasoa tokoa ny Baiboly. Milaza koa ny Baiboly fa tsy ho ela dia tsy hisy intsony ny fitondram-panjakan’olombelona rehetra fa ny Fanjakan’Andriamanitra no hisolo azy.” (Azonao atao ny mamaky andinin-teny, toy ny Matio 6:9, 10; Daniela 2:44; na Apokalypsy 21:4, eo ambanin’ilay foto-kevitra hoe “Fanjakana”, fizarana A, eo amin’ny pejy 1 719.) Afaka manazava ianao avy eo hoe: “Amin’ny fiverenako manaraka, dia horesahintsika bebe kokoa hoe inona marina io Fanjakana io, ary nahoana izy io no mahakasika antsika tsirairay.” Ho liana hihaino ny tohiny ilay tompon-trano amin’izay.
17 Fankasitrahana an’io fitaovana mahomby io: Ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao dia manaporofo mazava fa ‘avy amin’ny herin’ny fanahy masin’Andriamanitra ny Soratra Masina iray manontolo ary mahasoa.’ Nodinihintsika teo fa marina sy azo itokisana izy io ary tena mahafa-po an’ireo maniry hihaino an’Andriamanitra miteny amin’ny fiteny fampiasan’ny olona ankehitriny. Mamelombelona ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao, sady azon’ny mpamaky avy hatrany ireo teny mafonja nampiasaina tao amin’ny Soratra Masina tany am-boalohany. Tsy voatery averimberina vakina ny andinin-teny, vao azo ny heviny. Vao vakina ilay izy, dia mazava sy manentana.
18 Voadika marina tsara ny Tenin’Andriamanitra na “ny sabatry ny fanahy”, ao amin’ny Soratra Grika Kristianina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao. Noho izany, dia fiadiana tena tsara izy io eo amin’ny ady ara-panahy ataon’ny Kristianina, ka manampy mba ‘handrava fampianaran-diso sy fisainana efa mafy orina, izay atsangana hanohitra ny fahalalana an’Andriamanitra.’ Manampy antsika tokoa io fandikan-teny io mba hanambara amin’ny fomba mazava kokoa ilay zavatra mahasoa sy mampahery, dia ny voninahitr’ilay Fanjakana marin’Andriamanitra, eny, “ny asa lehibe nataon’Andriamanitra”!—Efes. 6:17; 2 Kor. 10:4, 5; Asa. 2:11.