FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • km 3/04 p. 3
  • Fampandrenesana

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Fampandrenesana
  • Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2004
Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2004
km 3/04 p. 3

Fampandrenesana

◼ Zavatra atolotra amin’ny Martsa: Mivavaha Amin’ilay Hany Andriamanitra Marina. Hanao ezaka manokana isika mba hanombohana fampianarana Baiboly. Raha efa manana io boky io ilay olona, dia azo atao ny manolotra Ny Tsiambaratelon’ny Fahasambaram-pianakaviana, Ny Bokiko Misy Fitantarana avy ao Amin’ny Baiboly, na Fahalalana Izay Mitarika ho Amin’ny Fiainana Mandrakizay. Aprily sy Mey: Ny Tilikambo Fiambenana sy Mifohaza! Tsidiho koa ireo nanatrika Fahatsiarovana sy fandaharana hafa, nefa mbola tsy tena miaraka amin’ny fandaminana, rehefa miverina mitsidika ny olona liana ianao. Miezaha hametraka ny boky Mivavaha. Miezaha mafy hanomboka fampianarana Baiboly, indrindra fa amin’ireo olona efa nianatra ny bokikely Takina. Jona: Mianara Amin’ilay Mpampianatra Lehibe. Bokikely Takina atolotra ho an’ireo tsy manan-janaka. Ataovy izay hanombohana fampianarana Baiboly, rehefa mampiasa ilay bokikely.

◼ Tsy mikarakara ny fanafarana boky alefan’ny mpitory isam-batan’olona ny biraon’ny sampana. Tokony hampanao fampandrenesana isam-bolana ny mpiandraikitra mpitantan-draharaha, alohan’ny handefasan’ny fiangonana ny fanafarany boky isam-bolana atỳ amin’ny sampana. Afaka manatona ilay rahalahy mpikarakara ny boky amin’izay ireo rehetra te hanafatra boky. Tadidio hoe boky inona avy no anisan’ireo zavatra hafarana manokana.

◼ Misy fiangonana mandefa vola isam-bolana atỳ amin’ny sampana, amin’ny alalan’ny banky (virement na versement espèces). Avy hatrany dia asian’ny banky fitomboka ny taratasy manamarina fa nandrotsaka izany vola izany tokoa ianareo. Tokony halefanareo atỳ amin’ny sampana ny fotokopian’io taratasy io, miaraka amin’ny Taratasy Fandrotsahana Fanomezana (S-20).

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara