Fomba Fanolorana Gazety
Mifohaza! 8 Okt.
“Olona maro no mijaly noho ny aretina isan-karazany. Azo inoana fa efa nisy narary ny fianakavianao. Nahoana tokoa moa no misy izany? Inona avy no mety hahatonga ny aretina? [Avelao izy hamaly. Vakio ny Isaia 33:24.] Resahina ato amin’ity gazety ity ny antony sasany mahatonga ny aretina. Hazavaina ato koa ny fomba enina hisorohana ireo aretina mpahazo ny olona. Mampirisika ny fianakaviana izahay mba hiara-mamaky an’ity lahatsoratra ity, ho fisorohana ireo aretina mihanaka amin’izao fotoana izao.”