FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • km 12/03 p. 2-7
  • Fampandrenesana

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Fampandrenesana
  • Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2003
Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2003
km 12/03 p. 2-7

Fampandrenesana

◼ Zavatra atolotra amin’ny Desambra: Ilay Lehilahy Niavaka Indrindra Teto An-tany. Azo atolotra koa Ny Bokiko Misy Fitantarana avy ao Amin’ny Baiboly. Janoary: Manontany ny Tanora​—Valiny Mandaitra. Febroary: Manatòna An’i Jehovah. Martsa: Mivavaha Amin’ilay Hany Andriamanitra Marina. Hanao ezaka manokana isika mba hanombohana fampianarana Baiboly. Azo atao ny manolotra Ny Tsiambaratelon’ny Fahasambaram-pianakaviana, na Ny Bokiko Misy Fitantarana avy ao Amin’ny Baiboly, raha efa manana ireo ilay olona.

◼ Ampahatsiahivina ireo rahalahy miandraikitra ny kaontin’ny fiangonana, fa tokony halefa isam-bolana atỳ amin’ny sampana ny fanomezana ao amin’ny boaty ho an’ny Asa Fitoriana Maneran-tany, fa tsy hampiasaina handoavana ny fandanian’ny fiangonana.

◼ Halefa tsy ho ela any amin’ny fiangonana, ny fanasana amin’ny Fahatsiarovana 2004.

◼ Amin’ny alakamisy 24 Martsa, aorian’ny filentehan’ny masoandro, ny Fahatsiarovana amin’ny taona 2005. Omena mialoha ity filazana ity, mba hahafahan’ireo rahalahy hamandrika toerana hafa, raha maromaro no mampiasa ny Efitrano Fanjakana, ka voatery hitady toerana hafa ny fiangonana sasany. Fotoan-dehibe ny Fahatsiarovana, ka tokony hifantina rahalahy mahay hanao ilay lahateny ireo anti-panahy, fa tsy hifandimby fotsiny, na hanendry rahalahy mitovy foana isan-taona.

◼ Ny boky Manatòna An’i Jehovah no hianarana any amin’ny Fianarana Boky, manomboka amin’ny 15 Martsa 2004 ka hatramin’ny 16 Mey 2005.

◼ Kapila mangilatra vaovao misy:

Bokin’ny Vavolombelon’i Jehovah​—2001 —frantsay

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara