Fankasitrahana ny Famindram-pon’Andriamanitra
1 Nanohitra mafy ny fielezan’ny Kristianisma ny apostoly Paoly, talohan’ny nahatongavany ho Kristianina. Nanehoana famindram-po anefa izy, satria tao anatin’ny tsy fahalalana no nanaovany izany. Naneho hatsaram-panahy tsy manam-paharoa taminy i Jehovah, ka nanendry azy hitory. Tena nankasitrahan’i Paoly izany tombontsoa sarobidy izany. (Asa. 26:9-18; 1 Tim. 1:12-14) Nankasitraka ny famindram-pon’Andriamanitra i Paoly, ka tsy nitsitsy aina nanatanteraka ny fanompoany.—2 Kor. 12:15.
2 Nomena fanompoana koa isika, noho ny famindram-pon’Andriamanitra. (2 Kor. 4:1) Mankasitraka an’izany famindram-po izany, toa an’i Paoly isika, ka miezaka mafy manampy ny hafa handroso ara-panahy. Fomba iray azontsika anaovana izany ny fanombohana sy fitarihana fampianarana Baiboly.
3 Fanombohana fampianarana Baiboly: Azo anombohana fampianarana Baiboly ny fitadiavana olona hanaterana gazety tsy tapaka. Lasa takatsika kokoa izay mampanahy ireny olona ireny, rehefa mitsidika azy tsy tapaka isika. Mety ho azo ampiasaina ny lahatsoratra iray ao amin’ireo gazety mba hanombohana fampianarana Baiboly amin’ny bokikely Takina. Mety ho azo tohizina ilay dinidinika tamin’ny bokikely Takina, rehefa hanaterana gazety indray ilay olona.
4 Sady mivavaka no miezaka: Hanatsara ny fitoriantsika, ny vavaka sy ezaka mafy ataontsika. Nivavaka tamin’i Jehovah ny anabavy mpisava lalana iray mba hananany fampianarana Baiboly mihoatra ny iray. Nanao zavatra nifanaraka tamin’ireo vavaka nataony koa izy. Nodinihiny akaiky ny fanompoany, ka voamariny fa tsy mba nanolotra fampianarana Baiboly izy rehefa manao fiverenana mitsidika. Nataony àry izany, ka tsy ela dia nahazo fampianarana Baiboly roa fanampiny izy.
5 Tombontsoa tokoa ny antsika milaza ny “filazantsaran’ny fahasoavan’Andriamanitra”! (Asa. 20:24) Enga anie ny fankasitrahana ny famindram-pon’i Jehovah ka hanosika antsika hanampy ny olona mba handray soa avy amin’ny hatsaram-panahy tsy manam-paharoa asehony.