FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • km 6/03 p. 6
  • Famerenana Amin’ny Sekolin’ny Fanompoana

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Famerenana Amin’ny Sekolin’ny Fanompoana
  • Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2003
Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2003
km 6/03 p. 6

Famerenana Amin’ny Sekolin’ny Fanompoana

Hodinihina am-bava amin’ny Sekolin’ny Fanompoana ireto fanontaniana ireto, ny herinandron’ny 30 Jona 2003. Hanao famerenana maharitra antsasak’adiny ny mpiandraikitra ny sekoly. Miorina amin’ny fanazavana tao amin’ireo anjara nanomboka ny herinandron’ny 5 Mey ka hatramin’ny 30 Jona 2003 izy io. [Fanamarihana: Mila manao fikarohana ianao mba hahitana ny valiny, raha tsy misy loharanon-kevitra aorian’ilay fanontaniana.​—Jereo ny Sekolin’ny Fanompoana, p. 36, 37.]

ZAVATRA TANDREMANA

1. Nahoana no tena ilaina ny fanovaovam-peo rehefa manao lahateny, ary ahoana no mety hanaovana azy? [be p. 111 faritra voafefy; p. 112 faritra voafefy]

2. Nahoana ny mpandahateny iray no mety tsy hiteny amin-kafanam-po, na dia mino izay lazainy sy tia an’i Jehovah aza izy? [be p. 115, feh. 3, 4; p. 116, feh. 1]

3. Inona no hanampy ny mpandahateny haneho hatsaram-panahy sy fihetseham-po, ary nahoana izany no tena ilaina? [be p. 119, feh. 1-4]

4. Miankina amin’inona ny hafanam-po sy hatsaram-panahy ary fihetseham-po mety tsara amin’ny lahateny iray? [be p. 120, feh. 2-5]

5. Marina sa Diso: Rehefa mijery anao ihany ny mpihaino vao tena ilaina ny fihetsehana sy izay asehon’ny endrika. Hazavao. [be p. 121, feh. 3]

ANJARA No. 1

6. Inona no nanampy an’i Josia hifidy ny hanao ny tsara, na dia sarotra aza ny fahazazany? (2 Tant. 34:1, 2) [wMG 15/4/01 p. 26, feh. 5–p. 27, feh. 5; p. 28, feh. 3]

7. Inona no hevitry ny Ohabolana 9:7, 8a, ary ahoana no ampiharana azy io eny amin’ny fanompoana? [wMG 15/5/01 p. 29, feh. 4, 5]

8. Inona no tian’i Jehovah holazaina, rehefa nilaza tamin’ny Isiraelita izy hoe ‘Tsy tokony hanadino ianareo’, ary inona no hanampy antsika tsy hanadino? (Deot. 4:9; 8:11) [be p. 20, feh. 1-3]

9. Ahoana no ampisehoan’ny tenin’i Davida ao amin’ny Salamo 32:1, 5 sy Salamo 51:10, 15, fa tsy tokony hihevi-tena ho tsy misy vidiny intsony ny olona iray nanao fahotana lehibe rehefa tena nibebaka? [wMG 1/6/01 p. 30, feh. 1-3]

10. Inona no ampianarin’ny toromarik’i Paoly ao amin’ny 1 Timoty 5:3-16, momba ny fikarakarana ny mahantra? [wMG 15/6/01 p. 11, feh. 1]

FAMAKIANA BAIBOLY ISAN-KERINANDRO

11. Inona no tian’i Jesosy holazaina tamin’ny hoe “ateraka indray”, ao amin’ny Jaona 3:3? [wMG 1/7/95 p. 9, 10, feh. 4, 5]

12. Ahoana no nampiasan’i Jesosy ny fampianarana azony, ary inona no lesona sarobidy ianarantsika avy amin’izany? (Jaona 7:15-18) [wMG 1/2/96 p. 9, 10, feh. 4-7]

13. Inona no tian’i Jesosy holazaina ao amin’ny Jaona 8:51 manao hoe “tsy hahita fahafatesana izy mandrakizay”?

14. Ahoana no ‘hiavian’i Jesosy tahaka’ ny niakarany tany an-danitra? (Asa. 1:11) [wMG 15/7/90 p. 11, feh. 5]

15. Nahoana no “tsy nisy tamin’ny olona sisa rehetra sahy niray [tamin’ny mpianatra]”, araka ny Asan’ny Apostoly 5:13?

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara