FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • km 5/03 p. 7
  • Fampandrenesana

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Fampandrenesana
  • Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2003
Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2003
km 5/03 p. 7

Fampandrenesana

◼ Zavatra atolotra amin’ny Mey: Ny Tilikambo Fiambenana sy Mifohaza! Ataovy izay hametrahana ny boky Mivavaha Amin’ilay Hany Andriamanitra Marina, rehefa miverina mitsidika ireo olona liana, anisan’izany ireo nanatrika Fahatsiarovana na fivoriambe, nefa mbola tsy tena miaraka amin’ny fiangonana. Tokony hiezaka hanomboka fampianarana Baiboly isika, indrindra fa amin’ireo olona efa nahavita ny boky Fahalalana sy ny bokikely Takina. Jona: Manolora ilay boky Mivavaha Amin’ilay Hany Andriamanitra Marina na ilay bokikely Lalana Mankany Amin’ny Fiainana Mandrakizay. Ny bokikely Afaka ny ho Sakaizan’Andriamanitra Ianao sy Mifalia Amin’ny Fiainana eto An-tany Mandrakizay! atolotra, raha misy tsy mahay mamaky teny tsara. Azo atolotra koa ny boky Fahalalana. Jolay sy Aogositra: Azo atolotra ny iray amin’ireto bokikely 32 pejy ireto: Afaka ny ho Sakaizan’Andriamanitra Ianao!, Boky Iray ho An’ny Olona Rehetra, Efa Hitanao ve ny Lalana Mankany Amin’ny Fiainana Mandrakizay?, “Indro, Havaoziko ny Zavatra Rehetra”, Ny Anaran’Andriamanitra Izay Haharitra Mandrakizay, Ny Fanahin’ireo Maty—Afaka Manampy Anao ve Izy Ireo sa Afaka Manisy Ratsy Anao? Tena Misy Tokoa ve Izy Ireo? Ny Vavolombelon’i Jehovah—Iza moa Izy Ireo? Inona no Inoany?, Tokony Hino ny Trinite ve Ianao?

◼ Ny mpiandraikitra mpitantan-draharaha, na izay tendreny, dia tokony hanamarina ny kaontin’ny fiangonana amin’ny 1 Jona, na haingana araka izay azo atao aorian’izay. Rehefa vita ilay izy, dia anaovy fampandrenesana ho an’ny fiangonana, rehefa avy novakina ny tatitra momba ny kaonty manaraka.

◼ Tokony hanomboka hanafatra ny gazety vita boky (volumes reliés) 2002 amin’ny Tilikambo Fiambenana sy ny Mifohaza! miaraka amin’ny fanafarany boky manaraka ny fiangonana. Hisy amin’ny teny frantsay ny gazety vita boky. Mandra-pahatongan’ny gazety vita boky sy mandra-pahazonareo azy, dia hisy soratra hoe “Halefanay aoriana kely” eo amin’ny lisitry ny entana. Zavatra hafarana manokana ny gazety vita boky.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara