Famerenana Amin’ny Sekolin’ny Fanompoana
Hodinihina am-bava amin’ny Sekolin’ny Fanompoana ireto fanontaniana ireto, ny herinandron’ny 24 Febroary 2003. Hanao famerenana maharitra antsasak’adiny ny mpiandraikitra ny sekoly. Miorina amin’ny fanazavana tao amin’ireo anjara nanomboka ny herinandron’ny 6 Janoary ka hatramin’ny 24 Febroary 2003 izy io. [Fanamarihana: Mila manao fikarohana ianao mba hahitana ny valiny, raha tsy misy loharanon-kevitra aorian’ilay fanontaniana.—Jereo ny Sekolin’ny Fanompoana, p. 36, 37.]
ZAVATRA TANDREMANA
1. Marina sa diso: Tsy misy diso ny vakitenintsika raha azontsika antoka fa marina izay vakintsika, na dia tsy tena mitovy amin’izay voasoratra aza. Hazavao. [be p. 83]
2. Fenoy ny banga: Ny _________________________ amin’ny feo avo no fanalahidin’ny famakian-teny tsy misy diso. [be p. 85]
3. Nahoana no tena ilaina ny miteny mazava tsara? (1 Kor. 14:8, 9) [be p. 86]
4. Inona avy no mahatonga ny tenin’ny olona iray tsy hazava, ary inona no azontsika atao mba hitenenana mazava kokoa? [be p. 87, 88]
5. Inona no teny sasany nampiasaina tao amin’ny Sekolin’ny Fanompoana tamin’ireo roa volana farany, izay hitanao fa ilainao ny mizatra manonona azy tsara? [be p. 92]
ANJARA NO. 1
6. Marina sa diso: Afaka manampy antsika hihaino ny masontsika. Hazavao. [be p. 14]
7. Fenoy ny banga: Fanondroana fotoana nomen’Andriamanitra avokoa ny _________________________ sy ny _________________________ ary ny _________________________. [si p. 279 feh. 7]
8. Fenoy ny banga: Mety hidika ho _________________________ ora, _________________________ ora, _________________________ taona na _________________________ ny teny hoe “andro”, ao amin’ny Baiboly, arakaraka ny teny manodidina. [si p. 279 feh. 8]
9. Nahoana no afaka manampy antsika handresy ny fahakiviana ny ohatr’i Hana sy Marka ary Elia? Ahoana no ampiasantsika ireny ohatra ireny mba hanampiana ny hafa? [wMG 1/2/01 p. 20-23]
10. Nahoana no manjary mazava kokoa ny andininy sasany ao amin’ny Baiboly rehefa azo ny hevitry ny lalao atletisma fahiny? Inona no tokony ho fiantraikan’izany eo amin’ny fiainantsika? [wMG 1/1/01 p. 28-31]
FAMAKIANA BAIBOLY ISAN-KERINANDRO
11. Marina sa diso: Tsy mety intsony ny mivavaka hoe: “Ho tonga anie ny fanjakanao”, satria efa niorina tany an-danitra tamin’ny 1914 ny Fanjakan’Andriamanitra. (Matio 6:10) Hazavao. [be p. 279; wMG 1/6/96 p. 31]
12. Marina sa diso: Milaza ny tenin’i Jesosy ao amin’ny Matio 11:24 fa hatsangana amin’ny maty ireo naringan’i Jehovah tamin’ny afo tao Sodoma sy Gomora. Hazavao.
13. Fidio izay marina amin’ireto: Ny mpanompo mahatoky sy malina resahin’i Jesosy ao amin’ny Matio 24:45-47 dia a) ny Filan-kevi-pitantanan’ny Vavolombelon’i Jehovah; b) ny fitambaran’ireo Kristianina voahosotra rehetra eto an-tany, na taloha na ankehitriny; d) i Jesosy Kristy mihitsy. Io mpanompo io dia manome sakafo ara-panahy amin’ny fotoana mety ny “mpanompony” izay mampiseho a) ny voahosotra tsirairay; b) ny ondry hafa; d) ireo rehetra mamaky boky sy gazety ara-baiboly. Notendren’ny Tompony hanapaka ny fananany rehetra io mpanompo io tamin’ny taona a) 1914; b) 33; d) 1919.
14. Fidio izay marina amin’ireto: Ny haratotarihina ao amin’ny fanoharan’i Jesosy voalazan’ny Matio 13:47-50 dia mahatafiditra ny fiangonan’ny Kristianina voahosotra sy ny a) Fanjakan’Andriamanitra tarihin’ny Mesia; b) ondry hafa namany; d) Kristianisma Anarana.
15. Inona no tokony hataonao raha nanafintohina mpiara-manompo ianao, araka ny tenin’i Jesosy ao amin’ny Matio 5:24? [gMG 8/2/96 p. 16, 17]