Fomba Fanolorana Gazety
Ny Tilikambo Fiambenana 1 Jan.
“Rehefa maty na marary ny havany, dia manontany tena ny olona hoe ‘Nahoana no navelan’Andriamanitra hisy izao?’ Efa nilaza izany koa angamba ianao. Asehon’ny Baiboly fa miara-ory amintsika Andriamanitra. [Vakio ny Isaia 63:9a.] Hazavain’ity gazety ity hoe nahoana isika no afaka matoky fa hamarana ny fijaliana Andriamanitra.”
Mifohaza! 8 Jan.
“Heverinao ve fa tokony hanakantsakana ny fahalalahana haneho hevitra ny fanjakana? [Avelao izy hamaly.] Ary raha resaka fivavahana ilay izy, toy ny vakintsika eto? [Vakio ny Asan’ny Apostoly 28:30, 31.] Vao haingana izay, dia nentina tany amin’ny Fitsarana Tampon’i Etazonia io raharaha io. Asaiko ianao hamaky izany ato amin’ity gazety Mifohaza! ity.”