Zava-dehibe ny Famakian-teny eo Amin’ny Fitoriantsika
1 Niteny tamin’ny mpanara-dia azy i Jesosy mba ‘hanao mpianatra ny firenena rehetra, . . . sady hampianatra azy hitandrina izay rehetra nandidiany.’ Efa nilaza koa izy fa “hotorina amin’izao tontolo izao ity filazantsaran’ny fanjakana ity.”—Matio 24:14; 28:19, 20.
2 Toa an’ireo Kristianina tamin’ny taonjato voalohany, dia mazoto mitory sy mampianatra ny Vavolombelon’i Jehovah ankehitriny. Mampiasa boky sy gazety koa izy ireo mba hitoriana ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana. Namoaka sy nizara Baiboly, boky, gazety, ary bokikely an’arivo tapitrisa tamin’ny fiteny maherin’ny 200 ny Vavolombelon’i Jehovah, nanomboka tamin’ny 1920.
3 Olona an-tapitrisa maneran-tany no nandray tsara, ka tonga mpianatr’i Kristy. Lehilahy sy vehivavy tsy mahay mamaky teny sy manoratra ny sasany. Tena Kristianina sarobidy anefa izy ireny. Maro aminy no efa nanompo tamim-pahatokiana an’Andriamanitra nandritra ny am-polo taona, niaritra fanenjehana noho ny fivavahany, ary mampiseho ny fitiavany an’i Jehovah ka mankatò ny didiny.—1 Jaona 5:3.
4 Tena maniry hahay hamaky teny sy hanoratra ny maro amin’izy ireny. Fantany mantsy fa fomba iray hanampy azy handray anjara bebe kokoa amin’ny fanompoana an’Andriamanitra izany. Te hanaraka ny vakiteny izy any am-pivoriana, rehefa misy famakiana Baiboly na boky sy gazety kristianina. Te hahay hamaky an’ireo tonon-kira koa izy satria maniry hiara-mihira amin’ireo rahalahiny sy anabaviny ara-panahy. Te hianatra Baiboly izy any an-trano mba hampaherezana ny tenany sy ny ankohonany. Te hampianatra ny fahamarinana ao amin’ny Tenin’Andriamanitra izy eny amin’ny fanompoana, nefa tsy hiandry olon-kafa hamaky izany aminy.
5 Fianarana mamaky teny: Nanao fandaharana àry ny Vavolombelon’i Jehovah mba hampianarana mamaky teny sy manoratra ny isam-batan’olona sy eo anivon’ny fiangonana. Efa nampianatra lehilahy sy vehivavy maro be izy ireo maneran-tany. Ampirisihina hanohy io fandaharana io izay fiangonana mila izany.
6 Tena tsara fanahy amintsika olombelona i Jehovah Andriamanitra, Mpamorona antsika, ka nomeny fahaizana mamaky teny sy manoratra isika. Tsy tonga ho azy anefa izany fa mitaky ezaka. Inona no valisoa lehibe indrindra azon’izay mianatra mamaky teny sy manoratra? Lasa mahay mampiasa ny Tenin’Andriamanitra izy ireo, ary mankatò ilay toromariny mba ‘hamaky azy io amin’ny andro rehetra hiainany.’—Deot. 17:19.