Vaovao Farany
◼ Nisy fiangonana iray antsoina hoe Fierenana Andranovao niforona tamin’ny Febroary 2002.
◼ Nisy fiangonana iray hafa antsoina hoe Ampefilohakely niforona tamin’ny Martsa. Misy 275 izao ny tontalin’ny fiangonana eto amintsika.
◼ Nisy antoko-mpitory roa antsoina hoe Ankilizato sy Antsirabe Ambano niforona tamin’ny Febroary. Misy 33 izao ny tontalin’ny antoko-mpitory eto amintsika.
◼ Nisy Efitrano Fanjakana maromaro notokanana hatramin’ny Septambra 2001: Ambanimaso tamin’ny Septambra, nisy mpanatrika 272; Ampopoka tamin’ny Desambra; Ranomafana-Est sy Talatamaty tamin’ny Febroary. Nisy mpanatrika 182 tao Talatamaty.