FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • km 5/02 p. 7
  • Fampandrenesana

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Fampandrenesana
  • Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2002
Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2002
km 5/02 p. 7

Fampandrenesana

◼ Zavatra atolotra amin’ny Mey: Ny Tilikambo Fiambenana sy Mifohaza! Tokony hampahafantarina ny tompon-trano fa afaka manome vola ho an’ny asa maneran-tany izy ireo, raha te hanao izany. Anatero gazety tsy tapaka ilay olona raha liana. Omeo bokikely Takina koa izy, ka manaova ezaka manokana mba hanomboka fampianarana Baiboly. Jona: Inona no Takin’Andriamanitra Amintsika? na Fahalalana Izay Mitarika ho Amin’ny Fiainana Mandrakizay. Manolora bokikely misy ao amin’ny tahirin’ny fiangonana, raha efa manana an’ireo ny tompon-trano. Jolay sy Aogositra: Afaka ny ho Sakaizan’Andriamanitra Ianao. Mifantoha amin’ny fanombohana fampianarana Baiboly.

◼ Ny mpiandraikitra mpitantan-draharaha, na izay tendreny, dia tokony hanamarina ny kaontin’ny fiangonana amin’ny 1 Jona na haingana araka izay azo atao aorian’izay. Rehefa vita ilay izy, dia anaovy fampandrenesana ho an’ny fiangonana, rehefa avy novakina ny tatitra momba ny kaonty manaraka.

◼ Bokikely vaovao misy:

Mifalia Amin’ny Fiainana eto An-tany Mandrakizay —Sakalava, Tankarana, Vezo

Faly izahay mamoaka ireo bokikely ireo mba hampiasaina eto Madagasikara. Tsy isalasalana fa hahasoa ireo faritra mampiasa ireo teny ireo izany. Mba hahafantaran’ny rahalahy rehetra tsara an’ireo bokikely ireo, dia faly izahay mandefa roa avy, amin’ireo fiteny ireo, ho an’ny fitahirizam-bokin’ny fiangonana. Afaka manao fanafarana ho an’ny olona eny amin’ny faritra mila, na te hampiasa ny iray amin’ireo fiteny ireo àry ny fiangonana. Ataovy azo antoka anefa fa ao amin’ny fitahirizam-boky foana ireo bokikely roa mba haseho an’ireo olona liana.

Tokony hameno ny taratasy fanafarana boky ny fiangonana mba hahazoany bokikely amin’izay fiteny ampiasain’izy ireo.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara