Manosika Antsika Hanao Asa Tsara ny Finoantsika
1 Nanosika an’i Noa sy Mosesy ary Rahaba hanao zavatra ny finoany. Nanao ny sambo fiara i Noa. Nandao ny soa nihelina azony tany an-dapan’i Farao i Mosesy. Nanafina an’ireo mpisafo tany sy nankatò ny toromarik’izy ireo i Rahaba, ka voavonjy ny ankohonany. (Heb. 11:7, 24-26, 31) Manosika antsika hanao asa tsara inona avy ankehitriny ny finoantsika?
2 Fitoriana: Manosika antsika ny finoantsika hiresaka momba ilay Andriamanitsika mahatalanjona sy ny fandaharana nataony mba hahasambatra antsika mandrakizay. (2 Kor. 4:13) Mety tsy hazoto hitory isika indraindray. Hatanjaka anefa isika ary tsy dia hatahotra loatra, raha ‘ataontsika eo anatrehantsika mandrakariva i Jehovah.’ (Sal. 16:8) Hanosika antsika avy eo ny finoantsika mba hizara ny vaovao tsara amin’ny havana, mpiara-monina, mpiara-miasa, mpiara-mianatra, ary ny olon-kafa, isaky ny afaka manao izany isika.—Rom. 1:14-16.
3 Fiaraha-mivory: Asa tsara hafa iray anehoantsika ny finoantsika ny fanatrehana fivoriana tsy tapaka. Fa nahoana? Satria mampiseho izany fa tena ekentsika hoe manatrika ny fivoriantsika i Jesosy amin’ny alalan’ny fanahy masin’Andriamanitra. (Matio 18:20) Asehontsika fa maniry “hihaino izay lazain’ny Fanahy amin’ny fiangonana” isika. (Apok. 3:6) Mitandrina ny fampianarana azontsika isika satria mino fa i Jehovah, ilay Mpampianatra Lehibe Indrindra, no mampianatra antsika.—Isaia 30:20.
4 Ny safidy ataontsika: Ho voatosika hanao ny zavatra ara-panahy ho loha laharana eo amin’ny fiainantsika isika, rehefa miaiky mafy ny amin’ny zavatra tsy hita. (Heb. 11:1) Midika ho fanaovana sorona zavatra ara-nofo izany matetika. Nanda asa tsara karama kokoa, ohatra, ny anti-panahy iray, satria tsy ho afaka hamonjy fivoriana sasany izy, ho lavitra ny ankohonany, ary tsy ho afaka hanao ny asan’ny mpisava lalana intsony. Aoka isika hatoky tanteraka toy izany koa ny fampanantenan’ny Baiboly hoe hanome izay ilain’ireo ‘mikatsaka ny fanjakany sy ny fahamarinany aloha’ i Jehovah.—Matio 6:33.
5 Voamariky ny olona fa manan-kery lehibe eo amin’ny fiainantsika ny finoana. Fantatra maneran-tany tokoa ny finoantsika. (Rom. 1:8) Aoka àry isika rehetra hampiseho amin’ny asa tsara fa velona ny finoantsika.—Jak. 2:26.