Fomba Fanolorana Gazety
Ny Tilikambo Fiambenana 1 Mey
“Mahafantatra olona marary mafy na kilemaina ve ianao? Tsy isalasalana fa manaiky ianao hoe mila fampaherezana ny olona toy izany. Inona anefa no azontsika lazaina mba hampaherezana azy ireny? Manolotra teny fampanantenana ny Baiboly. [Vakio ny Isaia 35:5, 6.] Hazavain’ity gazety Ny Tilikambo Fiambenana ity ny antony ahafahantsika matoky fa ho tanteraka io faminaniana io.”
Mifohaza! 8 Mey
“Olona maro ankehitriny no miala amin’ny fivavahana lehibe mba hanompoana an’Andriamanitra araka izay tian’ny tenany. Ahoana no fiheveranao an’izany? [Avelao izy hamaly.] Asehon’ny Baiboly fa tena zava-dehibe amin’Andriamanitra ny fomba ivavahantsika aminy. [Vakio ny Jaona 4:24.] Mampiseho amintsika ny fomba tsara indrindra hanomezana fahafaham-po izay ilaintsika ara-panahy ity Mifohaza! ity.”