Vaovao Farany
◼ Faly izahay milaza fa nisy tampon’isa vaovao 11 769 tamin’ny isan’ny mpitory, tamin’ny Oktobra. Mampiseho fitomboana 4% izany raha oharina amin’ny tamin’ny taon-dasa.
◼ Notokanana tamin’ny Oktobra ny Efitrano Fanjakanan’ny Fiangonana Ampanihy Andrefana.
◼ Nisy Efitrano Fanjakana roa koa notokanana tamin’ny Novambra: Moramanga, izay nisy rahalahy sy anabavy 315 nanatrika ilay fandaharana, sy Imerimandroso izay nisy mpanatrika 149.