“Aoka ny Zavatra Rehetra Hatao Amin’ny Fahamendrehana sy ny Filaminana”
1 Faly isika satria mandroso tsara ny vahoakan’i Jehovah, ka mitombo ny isan’ny fiangonana eto Madagasikara. Efa nihoarana tamin’ny volana Oktobra lasa teo ny isan’ny fiangonana 300. Misy Efitrano Fanjakana maro koa izao any amin’ny toerana sasany, indrindra fa any amin’ny tanàn-dehibe, nefa mbola misy fiangonana maro mitambatra Efitrano.
2 Zava-dehibe àry ny hanaovan-javatra amin’ny fomba milamina sy araka ny Soratra Masina. Hoy ny nosoratan’ny apostoly Paoly: “Fa Andriamanitra tsy tompon’ny fikotranana, fa tompon’ny fiadanana. . . . Aoka ny zavatra rehetra hatao amin’ny fahamendrehana sy ny filaminana.”—1 Kor. 14:33, 40.
3 Mila hoheverin’ny anti-panahy rehetra voakasika, sady mila fiaraha-miasa avy amin’ny mpiandraikitra ny faritra, ny fiforonan’ny fiangonana vaovao, indrindra fa raha vokatry ny fizaran’ny fiangonana iray na maromaro ilay izy.
4 Anton-javatra maro no jerena rehefa hanapa-kevitra hamorona fiangonana iray vaovao: ny halaviran-dalana tsy maintsy halehan’ny mpitory mba hanatrehana fivoriana, ny isan’ny mpitory ho ao amin’ilay fiangonana vaovao, ny isan’ny anti-panahy sy mpanampy amin’ny fanompoana hanompo ao, sns.
5 Eo koa ny fizarana ny faritany itoriana. Rehefa manapaka izay ho faritany hitorian’ilay fiangonana vaovao ireo anti-panahy, dia ho hitan’izy ireo fa tsara ny hampiasana sarintany. Tokony hofaritana eo amin’ilay sarintany ny fetran’ny faritany itorian’ny fiangonana tsirairay. Tsara ny hamerenana mamaky ny Ny Fomba Fangatahana Fanitsiana Faritany (S-6) izay manazava ny fomba fanaovana izany.
6 Rehefa tapaka ny hevitra fa hizara ny fiangonana, ary efa fantatry ny tsirairay izay fiangonana hisy azy, dia tsara kokoa raha ny fiangonana izay hitory eny amin’ny faritany onenan’ny mpitory no hisy azy. Nahoana?—Jereo Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana Mey 1991, pejy faha-3.
7 Mety hisy toe-javatra maningana. Ohatra, ny fahasarotan’ny fitaterana, ny ora fiasana, ny fiambenana trano, na misy fiangonana tsy ampy mpiandraikitra ka misy anti-panahy sy ny vady aman-janany, raha manambady izy, angatahina hanampy azy. Tsara anefa, amin’ny ankapobeny, raha ilay fiangonana mitory eny amin’ny faritany onenantsika no hisy antsika. Amin’izay, dia ho mora kokoa ny hitory, satria tsy mila mandeha lavitra isika hamonjena ny toerana itoriana miaraka amin’ny mpitory namantsika. Ho mora amintsika ny fiarahantsika mitory amin’ny mpikambana ao amin’ny fiangonantsika, sy ny itarihana ny vaovao hamonjy fivoriana, satria tsy mananosarotra aminy izany. Ary farany, dia afaka mifandray akaiky amin’ny rahalahy sy anabavy isika amin’izay, satria eny amin’ny manodidina antsika no misy azy, ary afaka manampy antsika izy ireny rehefa ilaina izany. Ny fanekentsika ny fanapahan-kevitra noraisina no ampisehoantsika fa mametraka an’ilay Fanjakana eo amin’ny toerana voalohany isika.—Lioka 16:10.
8 Mety ho tiantsika ny hiaraka ihany amin’ny namantsika, rehefa misy fizaran’ny fiangonana, na fanamboarana ny fianarana boky. Afaka mahazo namana vaovao anefa isika, sady mihabetsaka koa ny namantsika, raha manaiky ny fanapahan-kevitra noraisina isika. (2 Kor. 6:11-13) Ankoatra izany, dia ho mora kokoa ny hikarakaran’ny anti-panahy ny andian’ondry, sy hanatsarany ny ara-panahin’ny fiangonana raha toa ka ao amin’ny faritany itorian’ny fiangonana misy azy no onenan’ny mpitory.
9 Manaiky hiaraka amin’ilay fiangonana miasa eo amin’ny faritany onenany ny mpitory, amin’ny ankapobeny. Misy ihany anefa mitady hifidy fiangonana ka mankany amin’ny fiangonana hafa, satria izany no tiany, na satria tsy te hiova fahazarana izy. Eo koa ny Kristianina “mpifindrafindra toerana” mandositra zava-manahirana, toy ny andian’ondry mpifindra monina atsy Afrika, izay mitady vilona maitso kokoa, ka mitady tsy an-kiato izay fiangonana tsara (Tilikambo Fiambenana 1 Febroary 1995, pejy 28, feh. 1).
10 Voaresaka nandritra ny fitsidihan’ny mpiandraikitra mpitety sampana farany teo teto amin’ny nosintsika izany toe-javatra izany. Asehon’ny zava-misy fa miteraka fisafotofotoana ny fihetsika toy izany, ka mahatonga fandaniam-potoana sy vola ho an’ny fianakaviana maro. Azo ampiasaina amin’ny asa kristianina misy vokany anefa ireny fotoana sarobidy sy vola verivery fotsiny ireny. Tsy fotoana tokony hanaovana fanitsiana amin’izay ve izao, satria efa hita fa ny lafy ratsiny no betsaka kokoa?
11 Aoka hahitsintsika tsy misy hataka andro ny toe-javatra: Lazain’ny bokin’ny Mpitoriteny fa “samy manana ny androny avy ny raharaha rehetra atỳ ambanin’ny lanitra.” (Mpit. 3:1) Raha monina ao amin’ny faritany tsy itorian’ny fiangonana misy antsika isika, nahoana raha miara-mipetraka ny mpianakavy mba hidinika momba ilay zava-manahirana ka hanitsy ny toe-javatra amin’ity taona vaovao ity? Afaka manao ny anjarany koa ny mpiandraikitra mpitety faritany sy ny anti-panahy ao amin’ny fiangonana, ka manasa amim-pahaiza-mandanjalanja ny loham-pianakaviana handinika ilay raharaha.
12 Ary ahoana indray ny amin’ny olona ampianarintsika Baiboly? Misy mpitory sy mpisava lalana manana fampianarana tsy ao anatin’ny faritanin’ny fiangonana misy azy. Mety hisy toe-javatra manokana mahatonga ny mpitory hanomboka fampianarana toy izany. Rehefa afaka herinandro vitsivitsy anefa, dia mety ny hanazavana amin’ny mpianatra ny antony tokony hanohizan’ny mpitory hafa monina eo amin’ilay faritany ny fampianarana azy. Ho fantatr’izy ireo dieny eo am-boalohany amin’izay, fa miasa amin’ny fomba milamina ny fandaminan’i Jehovah.
13 Marina fa tsy misy afaka mamoaka fitsipika eo amin’izay lafiny izay, ary tsy hety ny hitsarantsika ny rahalahy sy anabavintsika raha mifidy ny hijanona ao amin’ny fiangonany izy, noho ny antony samy hafa. (Rom. 14:1-4) Raha afaka manao fanitsiana anefa isika dia aoka hanao izany. Hilamina sy hiadana ary hitombo ny vahoakan’i Jehovah amin’izay.