Fitahiana Noho ny Fankasitrahana ny Fitiavan’i Jehovah—Fizarana 2
1 Nasongadin’ny fizarana voalohany tamin’ny volana lasa ny fomba efatra azontsika anehoana fankasitrahana ny fitiavan’i Jehovah, rehefa manao fanompoana. (1 Jaona 4:9-11) Ireto misy fomba dimy fanampiny hanaovana izany. Ho faly isika, rehefa manampy olona amin’ny lafiny ara-panahy.
2 Fitoriana tsy ara-potoana: Fomba mandaitra hahitana olona noana sy mangetaheta ny fahamarinana sady hametrahana gazety amin’izy ireo, io. Tsara raha ‘manararaotra ny andro azo anaovan-tsoa’ isika, ka mitory amin’ny fotoana rehetra sy amin’ny olona rehetra mifanena amintsika. (Efes. 5:16) Tsy maintsy hisikina herim-po angamba isika, mba hitoriana tsy ara-potoana. Hitory foana anefa isika isaky ny afaka manao izany, raha takatsika ny haben’ny fitiavan’Andriamanitra sy ny zavatra ilain’ny olona.—2 Tim. 1:7, 8.
3 Nisy misionera novalian-tsoa tokoa, satria nanombo-dresaka tamina lehilahy iray tao anaty taxi. Liana io lehilahy io, ka notsidihina ary nampianarina Baiboly. Tonga tao amin’ny fahamarinana izy ary nandroso, ka lasa anti-panahy mihitsy!
4 Fanoratana taratasy: Tsy afaka manao isan-trano angamba isika satria marary, na ratsy ny andro. Afaka manao fitoriana fohy an-taratasy anefa isika any amin’ireo olona fantatsika, ireo namoy havan-tiana, na ireo tsy tratra an-trano. Azontsika ampiarahina amin’izy io ny taratasy mivalona mifanaraka tsara amin’izay resahintsika sady misy hafatra miorina amin’ny Baiboly. Asaivo manoratra ilay olona raha manana fanontaniana. Omeo ny adiresinao na ny adiresin’ny Efitrano Fanjakana izy, fa aza mampiasa ny adiresin’ny biraon’ny Sampana, aza fady.
5 Fitoriana an-telefaonina: Fomba iray hiresahana amin’ireo olona tsy tratrantsika tamin’ny fitoriana isan-trano izy io. Mety hahita vokatra tena tsara isika raha malina, tsara fanahy, mitandrina ary kinga, rehefa manao izany.
6 Nisy anabavy nitory an-telefaonina tamina vehivavy iray. Nanontaniany ilay vehivavy raha efa nisaintsaina momba ny hoaviny sy ny an’ny fianakaviany. Efa nanao izany, hono, izy. Nambarany fa kivy izy ka nitoka-monina tao an-tranony. Nanohina ny fony ny fiahian’ilay anabavy tamim-pahatsorana, ka nanaiky hihaona taminy teny an-tsena izy. Nanaiky hianatra Baiboly avy hatrany io vehivavy io!
7 Fandraisana tsara ireo vaovao: Raha tia ny mpiara-belona amintsika isika, dia handinika tsara mba hahitana hoe iza no vaovao tonga ao am-pivoriana, ka handray azy ireo an-tanan-droa. (Rom. 15:7) Ataovy tsapany fa mitady izay hahasoa azy amin’ny ara-panahy isika rehetra. Mety hanaiky ny fanampiantsika izy, raha tena miahy azy isika ary manasa azy hianatra Baiboly.
8 Ny fitondran-tena tsara ananantsika: Mampahamendrika ny fahamarinana ny fitondran-tena tsara ananantsika. (Tit. 2:10) Manome voninahitra an’Andriamanitsika ny olona eo amin’ity tontolo ity, rehefa midera antsika Vavolombelon’i Jehovah. (1 Pet. 2:12) Afaka mitarika ny hafa handeha eo amin’ny lalan’ny fiainana koa izany.
9 Nahoana raha dinihina indray ka ampiharina ireo fomba dimy mba hanehoana ny fankasitrahantsika ny fitiavana lehibe nasehon’i Jehovah antsika? (1 Jaona 4:16) Handray soa tondraka ianao raha manao izany.